Ambaran'ny Konsily Vatikana-II, ao amin'ny Fotom-pampianarana ara-pitondrana : "Ny fiangonana manoloana ny andro ankehitriny (Gaudium et Spes)" (FAA 74) fa ny filaminana ara-pitondran-tena ikatsahana ny soa iombonana no isehoan'ny fahefan'ny Fanjakàna, na eo amin'ny fiainam-bahoaka na eo amin'ny sampan-draharaha misolo ny Fanjakàna. Soa iombonana no natao hampiroborobo ny fiainam-bahoaka. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Voalazan'ny Katesizin'ny Eglizy katôlika, fa samy manana soa iombonana izay afahany mahalala ny tenany amin'ny maha-izy azy ny isaky ny fikambanan'ny olona. Anjara andraikitry ny Fanjakàna àry ny miaro sy ny mampandroso ny soa iombonan'ny fiaraha-monin'ny olom-pirenena. Asan'ny fitondram-panjakàna mandrindra ny fisitrahana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Hoy ny fampianaran'ny Papa Pie XI : "zava-dehibe ny fanomezana ny tsirairay ny anjara tandrify azy, sy ny fampiharana ny fitakin'ny soa iombonana na ny rariny ara-tsôsialy, amin'ny fitsinjarana ny haren'izao tontolo izao ; satria ny tsy fitoviana mivandravandra eo amin'ny olom-bitsy manan-karena sy ireo mahantra zavon-tany. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Manome andraikitra ny olona rehetra ao anaty fiaraha-monina ny soa iombonana. Mba hampiroboroboana sy hampandrosoana ny soa iombonana dia ilaina ny fandraisana anjaran'ny olona tsirairay sy isan-tsokajiny ary ny olona rehetra, satria io no endrika firotsahan'ny olona an-tsitrapo sy malalatanana eo amin'ny fifanampiana ara-piaraha-monina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco