Adidin'ny Fanjakàna ny mampihatra pôlitika mahomby ny asa ka isan'izany ny manome vahana ny famoronana ny asa manerana ny firenena, eo koa ny fanohanana ny olona amin'ny asa famokarana. Adidin'ny Fanjakàna ihany koa no mampirisika ny olona hiantsehatra satria tsy ho araky ny Fanjakàna irery izany fa na izany aza dia tsy maintsy miezaka araka izay tratra ny mpitantana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Manimba ny maha-olona ny midonanam-poana. Mahasoa ny vatana sy ny saina ny miasa fa tsy hihinana fotsiny, izany hoe mitsinjo ny hafa ihany koa. Tompon'andraikitra amin'ny tsy fananana asa ny mpitondra rehefa manapotika orinasa tsy ara-drariny sy manimba ny tontolon'ny asa. Adidin'ny Eglizy ny miteny manoloana ireny tsy rariny ireny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Fifamenoana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ary handraisana tambiny ara-drariny no tena asa. Zava-dehibe ny fitsaharana mba entina hitsinjovana ny namana sy ny manodidina. Manana ny hasiny ny asa satria fomba iray hiadiana amin'ny fahantrana. Melohan'i Jesoa Kristy ny olona tsy miasa fa midonanampoana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Manana andraikitra ny tsirairay ao amin'ny ankohonana misy azy. Ny fianakaviana iray mifankatia dia samy manana ny anjara andraikiny sy manao asa tandrify azy. Ny asa mendrika dia fiheveran'ny tsirairay ny fikoloana ny soa iombonana. Tsy "asana mpanompo ny asa fa fifamenoana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ary handraisana tambiny ara-drariny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco