Filàna fototra ny fifandraisan’ny mpiara-belona na ny fifandraisana; mandritra ny fitondrana vohoka dia afaka mifandray ny reny sy ny zaza. Voajanahary ny fifandraisana, fa na tsy mivoaka ny vava aza ny teny, ny retsi-pandrenesana rehetra dia endriky ny fifampiresahana... Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Misy sivana tokony ho tsarovan'ireo mpanely tsaho sy mpilaza vaovao ireto, izay hatao hoe "test de trois passoires" : voalohany, marina ve ilay resaka tiana ho lazaina ; faharoa, tsara ho an'ny rehetra ve ; fahatelo, ilaina ve ny ampahafantarana ilay vaovao. Raha resaka tsy marina sy tsy mahasoa ary tsy ilaina na ho anao na ho an'ny hafa dia tokony alevina ; tokony mijoro amin'ny fahamarinana hatrany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Fanaon'ny mpanely tsaho sy mpilaza vaovao tsy marina ny mitady fomba mba hiverimberenan'ilay hafatra na tsaho tiany aely, mba ho maro ny hino azy ary hahatonga azy ho toy ny hoe tena zava-nisy sy vaovao marina tokoa ilay ambarany. Aza Manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka (Eksaody 23, 1). Tsy tokony ho baikon'ny fihetseham-po ny olona iray. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Hoy ny Ntaolo : avadibadiho im-pito aloha ny lela alohan'ny hiteny ; izany hoe manontany tena raha azo antoka ny loharano nahenoana resaka mialohan'ny hitantarana azy amin'ny olona hafa. Amin'ny fehezan-teny tokana dia : tsy maintsy mamakafaka sy manadihady vao miteny. Mila mandinika isika, mitady ny loharano marim-pototra sy mazava fa tsy milaza zavatra manjavozavo na honohono. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...