Ny antso iantsoan'Andriamanitra ny olombelona rehetra dia ny "ho masina". Antso tokana iantsoana antsika efa hatrany amboalohany izany. Porofo izay voasoratra ao amin'ny Livitika : Aoka ho masina ianareo, satria masina aho, Tompo Andriamanitrareo ; hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Teny manambara finoana, fahatokisana, fahavononana hiroso ny teny hoe : "eny", ka vonona hanakambana ny fiainana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny tanora manao "eny" eo am-pirosoana amin'ny ho aviny. Sahia miroso, matokia ny hery omen'Andriamanitra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Ilaina ny fifandraisan'ny samy tanora amin'ny fanorenana ny ho avy. Misy tanora mihanona amin'ny fifandraisana amin'ny namana tokana ary misy ireo miaina ny fifandraisana "virtuelles" na anaty tambajotra sosialy. Ilaina ny fisokafana amin'ny hafa indrindra amin'ny mpiray finoana. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Fiaraha-miasa amin'ny tanora : ny firosoana amin'ny fiainana ny fahatanorana dia fisokafana amin'ny namana, fiaraha-mifampizara fiainana, fizarana ny hafalian'ny fahatanorana ao anaty firahalahiana. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco