Raha raisina amin'ny maha kristianina ny teny hoe "méditer" dia manana ny heviny manokana tsy azo vonoana. "Méditer" dia tena ilain'ny maha olona rehetra, fa manana dikany lalindalina kokoa izay teny izay raha raisina amin'ny maha kristianina. I Jesoa Kristy no lalana ary Izy no ianarana rehefa manao "méditation". Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Mila kaliana sy tandremana tsara ny fanaovana ny "méditation". Mila mitandrina tsara satria betsaka loatra ny karazam-pivavahana no miresaka momba azy io ary manao fampiharana. Mazàna ny "médiation" fanaon'ny tandrefana no tena maro mpanao, faniriana hahita fiadanam-po, satria eritreretina hanangonana hery, hitondra herim-po hiatrehana ny hitakitaka tsinahy, ny ankivy... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...