Tsy afaka milaza ho nantsoin'Andriamanitra ho amin'ny fanambadiana ny olona iray raha tsy maty an-kazo tokana tamin'ny olona iray nekeny ho vady ; toy izany koa ny pretra na relijiozy iray, tsy afaka ny hiambo ho pretra na relijiozy izy raha tsy maty tamin'ny lalana nosafidiny na dia niaritra olana sy sedra maro aza. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Misy ireo misafidy ho pretra na relijiozy na ho tokan-tena, rehefa mandalo zava-tsarotra ny olona dia mihevi-tena ho diso lalana, hany ka lasa mangozohozo sy tsy mari-pototra ilay antso tokana niantsoana antsika dia ny fahamasinana. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Antso hizoran'ny maro ny fahamasinana "ny fanambadiana", nefa mapametra-panontaniana matetika ny hoe " tena afaka hitondra amin'ny lalan'ny fahamasinana marina ve io safidim-piainana iray io?". Indraindray aza toa alaim-panahy hilaza fa diso safidy na diso lalana mihintsy ka lasa mitomany ny randrana manendrika ny hafa. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Ekena fa Antso tokana iantson'Andriamanitra ny isam-batan'olona ny fahamasinana, saingy tsy mora ary tsy mandeha ho azy no hahatongavana amin'izay. Maro samihafa ny safidim-piainana azo hizorana hamaliana io antso ho amin'ny fahamasinana io ka ilana fomba ny hamantarana azy. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco