Nantsoin’ny Ray hiala sasatra ao aminy ny zoma 12 jona 2020 tamin’ny mitataovovonana i F. Abbio Elio, sdb, rehefa nahavita ny iraka nankininy taminy, nandritra ny 65 taona naha-relijiozy azy tao amin’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco.

Ny taona 1996 izy no tonga teto Madagasikara. Olona tsotra sy be fitiavana. Nahalalan’ny maro azy ny fanampiana ny mahantra. Tia miasa sy be herim-po. Olon’ny vavaka izy satria tsy nanakana azy hivavaka ny asa maro nankinina aminy. Asa tanana, asa saina, asa natao ho famonjena sy fanompoana ny hafa . Toetra notakian’i Don Bosco tamin’ny saleziana ireo ary niainan’i F. Elio. Miara-dia sy manohana mandrakariva ireo mpiara-miasa aminy izy.

Nandritra ny fahamehana ara-pahasalamana izao, izy no nizara ireo fanampiana ho an’ireo sahirana isaky ny talata sy zoma maraina. Nandray ny valisoany any an-danitra izy teo amin’ny faha-82 taonany.

F Abbio Elio, efa miandry anao any am-paradisa i Don Bosco !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...