Talata 6 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38
Alatsinainy 5 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26
Alahady 4 jolay 2021 — Alahady fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6
Fo : efitra anatiny indrindra amin'ny olombelona, mirakitra tsiambaratelo, foiben'ny fanapahan-kevitra. Ao no mitoetra ny hetsika rehetra na ny fitiavana na fankahalana, hafaliana na alahelo, famindram-po na lolom-po. Mila tezaina ny fo fa antoky ny fiainana maha olona. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Saina : tsorina amin'ny hoe fahaizana mandinika, fahaizana mijery ambony sy lavitra, mahatakatra zavatra. Ho fampivelarana ny saina dia maro ny taranja vaovao ho an'izay afaka manohy fianarana. Tsy misaraka ny fahaiza-mandinika, ny fahaiza-miaina ary ny fahaiza-manao. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Singa efatra no entina mandinika ny olona manontolo: vatana, saina, fo, fanahy. Vatana : matoa naka nofo i Jesoa dia ilaina vonjena mihitsy ny ara-batana. Adidy voalohany ny fitandroana ny fahasalamana amin'ny alalan'ny fahadiovana sy ny fanatanjahan-tena. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotoamantsoa Jean Louis.
Raha vao miteny hoe "manana ny maha izy azy" matetika dia toa manondro olona malaza izay. Ny tanjona anefa dia ny mba hananan'ny olona toetra : hijoro, hahaleotena, hanana hevitra manokana fa tsy hanaraka ny hafa, ho matotra. Fehiny mba ho olom-banona amin'ny lafiny rehetra. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Mibaiko ny fiainana ny finoana ary mamaritra ny maha izy ny tena. Fiaraha-miaina amin'Andriamanitra ny finoana ka tsy maintsy hajaina ny didiNy. Ny kristiana dia mino fa any an-tranon'ny Ray, misy toerana omanin'i Kristy, Izy irery no lalana marina mankany amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
I Kristy no ivon'ny tantaram-pamonjena sy Mpamonjy tokana ; Izy no nanatanterakany Fampanantenana rehetra. Izay mino an'i Kristy no atao hoe Kristiana, tsy anarana entina fotsiny anefa izany fa toe-piainana mihitsy, tsy ankosotra fa mamolavola ny maha izy ny tena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Mila saina mandinika sy mandanjalanja fa tsy sodokan'ny fampisehoana na kabary tsara lahatra, indrindra fa ny zavatra ara-panahy dia ilàna ny finoana ka tsy tokony afangaro amin'ny tombontsoa ara-nofo. Valin-tenin'ny olona tsirairay araka ny feon'ny fieritreretany ny finoana, valin-teny an-kalalahana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Avy amin'ny olombelona ihany koa ny finoana satria valin-tenin'ny olombelona amin'ny Fanambaran'Andriamanitra. Tsy miankina amin'ny zavatra hita maso na fahagagana sy famantarana ny finoana fa miainga amin'ny fahatsapana ny asan'Andriamanitra eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i Rakotomanantsoa Jean Louis.
Samy tsy hita maso na Andriamanitra na ny soa ampanantenainy; rehefa mino fa misy Andriamanitra dia mibanjina Azy ao am-po na tsy mahita azy aza ny masom-batana. Avy amin'Andriamanitra ny finoana satria "tsy misy mahalala Azy raha tsy Izy no manambara ny tenany. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco