Ny Sakramenta fanosorana ny marary dia Sakramenta natao mba hahasoa ny fanahy sy ny vatan'ny marary ary ahazoana fahasitrahana ; mankahery ny marary amin'ny fahosan'ny fanahy, ny saina ary ny sitrapo, ary manafaka.ny fahotana sy ny sazim-pahotana. Adidin'ny Pretra manome ny sakramenta fanosorana ny marary no manome ny indolizansy ny marary, indrindra ho an'ireo marary ambavahoana. Ny indolizansy dia famelana omen'ny Eglizy ivelan'ny konfesy ka manafaka ny sazim-pahotana misy fetra, valin'ny hota efa navela. Ny indolinzansy dia misy roa : manontolo sy ny tsy manontolo izany hoe manafaka fahotana sy sazim-pahontana voafetra...

Ny sakramantan'ny fampihavanana dia ny penitasy izay sakramenta manafaka ny fahotana taorian'ny Batemy. Tamin'i Jesoa nilaza tamin'ny Apôstôly hoe "raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia ho voavelo ary izay ho tananareo dia ho voatana" no nanaovan'i Jesoa Kristy ny "penitasy". Ny manafaka ny fahotana amin'ny penitasy dia famotsorana omen'ny Pretra. Ny famotsorana dia famelan-keloka homen'ny Pretra. Misy dingana tokony hajaina rehefa handray ny sakramentan'ny penitasy : fandinihan-tena, manao fiampangan-tena, manantona ny pretra mamboraka ny fahotana, manatanteraka ny asa fanonerana...

Ny Fankaherezana dia sakramenta manome ny Fanahy Masina sy mahakristiana feno, manisy marika maha miaramilan'i Jesoa Kristy ny fanahintsika, ho pikatroka sy mpirotsaka. Ny Fankaherezana no handraisantsika bebe kokoa ny fahasoavana efa noraisintsika tamin'ny Batemy, indrindra ny fanomezan'ny Fanahy Masina ; ny fomezana fito ny Fanahy Masina : fahendrena, fahazavan-tsaina, fifidianana, faherezana, fahalalana, fitiavam-bavaka, fahatahorana an'Andriamanitra. Manome hery ny Fankaherezana mba afahana mankatoa am-pahibemaso ny finoana an'i Jesoa kristy sy handefitra amin'ny fijaliana rehetra toy izay handa azy Tompo...

Ny Eokaristia dia sakramenta misy ny tenan'i Jesoa manontolo : ny ra, ny vatany sy ny fanahiny ary ny fomban'Andriamanitra ao aminy, takon'ny endriky ny mofo sy ny divay. Tamin'ny Alakamisy Masina mialohan'ny nijaliany i Jesoa no namorona ny Eokaristia. Rehefa tonga vatana aman-dran'i Jesoa ny Mofo sy ny divay dia niteny i Jesoa mba hanohizan'ny mpianany izany, Rehefa vita ny fanamasinana fa ny endriky ny mofo sy ny divay sisa no hita fa efa vatana sy ran'i Jesoa iny. Ny mandray Eokoristia dia mihinana ny vatana sy ny ran'i Jesoa manontolo. Izay tsara fiomanana mialohan'ny Eokaristia no mahazo ny fahasoavana, izay noho tokony hadio amin'ny alalan'ny penintasy, fifadiana hanina ora iray alohan'ny fandraisana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...