Sarobidy ny aina koa aoka tsy hatakalo vola na akanjo na satroka na rindran-kira na fanentanana hafa, satria io no sarobidy indrindra amin'ny fanomezana nomen'Andriamanitra antsika, miampy ny fahasalamana. Tokony homalina hatrany isika satria maro ireo teti-dratsy manosika antsika samy Malagasy ho any amin'ny ady an-trano. Endrika famosaviana ny mpiray tanindrazana ny ezaka fanakorontanana, mety hataon'ny andaniny na ankilany koa samia mindanjalanja ny hatao...

Manentana ny kristiana rehetra mba hiombom-po aina sy hanadram-bavaka ho an'ny firenena, manoloana izao kihon-dalana, sy ho an'ny soa iombonana. Efa betsaka ny ra latsaka sy ny aina efa nafoy, nanomboka ny taona 1972, noho izany dia miantso fitonina ho an'ny rehetra. Manentana ny rehetra mba hampanjaka ny rariny, hanaja ny soatoavina. Ilaina ny fahaizana mifampihaino sy mifanakalo hevitra.

Ny Papa François dia manentena sy mitondra am-bavaka ny olombelona rehetra mba hiaina anaty ny fandriampahalemana sy hanaja ny tontolo iainana. Ny tontolo iainana lehibe indrindra dia ny fahaizana mpiara-belona mihavana amin'ny tenany sy ny manodidina azy ary ny fahaizana mikolokolo ny fihavanana. Ao anaty ny fiombonana no misy ny tena fiadanana, ary ao anatin'ny fiadanana no misy ny filaminana tanteraka.

Ny Mpiaro voalohany ny nosy Madagasikara dia Maria Immaculée izay, ankalazaina isaky ny 8 desambra. Ny andron'ny 27 septambra dia fety Olomasina Vincent de Paul, Mpiaro faharoa ny nosy, izay mpiaro sy fankatahaka tamin'ny asa fiantrana, vao 19 taona izy dia efa pretra. Toetr'Andriamanitra ny toetra tia manome, izay niainan'ny Olomasina Vincent de Paul. Ny Papa François dia isan'ny miaina io fitiavana ny mahantra io, nisy tahirin-kevitra nosoratany mihitsy niresahany ny Eglizy sy ny fahantrana, mitondra ny loha-teny hoe "Evangelii gaudium" .

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...