Notanterahina ny 2 hatramin’ny 27 aogositra lasa teo ny "FY DON BOSCO" tamin’ity taona 2020-2021 ity. Lohahevitra nodinihana manokana tamin’izany ny hoe "Entanin’ny fanantenana isika", "indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21, 5). Isan-taona, ny tontolo salezianina eto Madagasikara dia mikarakara an’io hetsika "FY DON BOSCO" io, atao mandritra ny fialan-tsasatra.

Natao indrindra izy io ho an’ireo tanora mba hahatonga azy ireo tsy hirenireny foana na hanjeny. Hoy mantsy i Don Bosco : "ny fotoana fialan-tsasatra no fotoana indridra fanararaotan’ny demony", ka mila manao zavatra ny tanora araka izany mba tsy hidonanam-poana.

Ho an’ny ankohonam-piainana salezianina eto Madagasikara manokana dia nanatanteraka an’izany ny Oratorio tsirairay any amin’ny faritra. Raha ho an’ny Mahajanga sy Ivato manokana dia nanomboka ny azy izy ireo ny 9 aogositra lasa teo, na dia tara herinandro tamin’ny fotoana nomen’ny PEPS (Projet Educatif et Pastoral Salésien) aza. Noferana ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity taona ity satria dia 400 ihany no noraisina raha toa ka manodidina ny 700 izy ireo ny taona 2018. Raha ho an’ny Mahajanga manokana dia nahitana mpandray anjara manana fahasembanana tamin’ity taona ity.

Fa inona marina ity FY izay resahana ity ?

Ny FY DON BOSCO dia fomba anankiray entina manabe manontolo : ara-batana, ara-panahy, ara-tsaina ireo ankizy sy tanora eo anelanelan’ny valo ka hatramin’ny sivy ambin’ny folo taona. Ho an’ireo maherin’ny 19 taona kosa, dia raisina ho mpanabe izy ireo raha mazoto sy mahafeno ny fepetra. Tsara marihina fa ny ankohonam-pianinana tsirairay dia samy mandrindra sy mampandeha ny azy arakaraka ny zava-misy eny an-toerana na dia misy aza ny torolalana avy amin’ny faritra sy ny mpikarakara ny asa patoraly eo an-toerana. Tetsy andanin’izany anefa dia somary nanano sarotra ny fikarakarana tamin’ity taona ity noho ny olana ara-pahasalamana izay misy ankehitriny. Vokatr’izany dia vitsy sy noferana ireo mpandray anjara.

Kanefa na dia teo aza izany olana isan-karazany izany dia azo lazaina ho afa-po ny tsirairay, na ny ankizy, na ny tanora, eny fa na dia ireo ray amn-dreniny izay nasaina tamin’ny famaranana aza dia afa-po tanteraka noho ny ezaka sy ny herim-po izay nananan’ireto mpakafy sy mpanabe ireto.

Tsara ho marihina fa ny tanjom-panabeazana tian’ny salezianina hotratrarina amin’ity hetsika ity dia ny hoe : "Ho olompirenena vanona sy ho kristianina mendrika".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...