Sabotsy 13 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10

Ry havana, tsy nanafina ny alahelony an’ireto vahoaka nanaraka Azy i Jesoa satria tsy nanan-kohanina izy ireo. Mangotika ny fon’i Jesoa rehefa tandindomin-doza ny aintsika. Andro maromaro izay no nahitantsika, nahenontsika Azy nanasitrana aretina maro satria aina no vonjena. Eto indray, telo andro tsy nihinan-kanina ka noana. Ny sakafo mantsy : aina. Azo ambara arak’izany fa na inona na inona mandrahona ny aintsika : tsy fandriam-pahalemana, kere, valan’aretina, hain-tany dia mangotika ny fon’Andriamanitra. Tsy Izy mihitsy no hanao be marenina amintsika manoloana izany.

Tsy hoe miandry ho toloram-potsiny anefa isika amin’izany na hifanilika sy hiala andraikitra ka hanao hoe : aiza no ahitana mofo hahavoky an’ireo aty an’efitra ? Asain’Andriamanitra hifanome tanana aloha isika samy isika, hanolotra ireo mofo fito. Mampahatsiahy antsika ny diakra fito lahy hizara ny mofo an’ireo mpitondratena. Tsy fotoanan’ny fitiavan-tena sy ny misalobon-komana intsony arak’izany izao andro diavintsika izao fa fotoanan’ny fifanomezan-tanana ary rehefa manao izay manandrify antsika isika dia Andriamanitra avy eo no misahana ny sisa.

Ry havana, atolory àry izay azonao hifampizarana : fotoana, hevitra, fanantenana, hafaliana, vola aman-karena sy ny maro hafa, fa izay manome sy mizarazara tokoa no mihary lovasoa izay tsy mety simba, hoy ny hirantsika.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...