Zoma 20 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 45-48 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

0 : 00

Ny niakaran'i Kristy tany Jerosalema dia ny hankalaza ny Pala, fety jody ; sady hampiseho eo anatrehan'i Jerosalema manontolo ny maha Andriamanitra Azy, ny maha Mpanjakan'izao tontolo izao Azy. Anisan'ny nanehoany izany ity fandroahany ny mpivarotra sy ny mpividy tao an-Tempoly ity, satria famantarana hita maso na sakramenta manambara ny fisian'Andriamanitra ny trano fivavahana na Tempoly, na fiangonana hoy isika. Ka mifanohitra amin'ny toetra natao maha izy azy ny Tempoly ny zavatra hita tao : "Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana..." Ny hoe vavaka dia efa fantatsika fa firesahana amin'Andriamanitra, ary ny olona hita maso na misy no iresahana, ka izany no mahasarotiny an'i Kristy, satria fanaovana tsinontsinona ny fisiany ny zavatra nitranga. Maro tokoa ny trano fiangonana eny amin'ny toerana misy antsika tsirairay avy eny, ka tokony hajaina ny maha izy azy, misy mantsy ny an'ny sasany dia natao ho fitadiavana tombon-tsoa manokana fotsiny, fakana ny ampahafolom-pananan'ny olona fotsiny. Tsy mendrika ny tranon'Andriamanitra izany. Koa raha natao ho trano fivavahana dia aoka ho tena vavaka tokoa no ho ao, fa tsy zavatra hafa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...