Nanasitrana olona maro i Jesoa ary nampitombo ny mofo

Alarobia 02 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 15, 29-37 — Tongava, ry Tompo, ary aza ela ; vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

Tohiny...

Alakamisy 22 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53 — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

0 : 00

Isan’ny anton-dian’i Jesoa ety ambonin’ny tany ny “hanipy afo” inona moa izany fa tsy ny Fanahiny. Tanteraka izany tamin’ny andron’ny Pantekôty : ny Fanahy Masina naka endrika lela mitarehin’afo, nitoetra teo ambonin’ireo Apôstôly sy i Masina Maria. Io Fanahy Masina io koa anefa tsy Iza fa ny fifankatiavan’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ; ka azo lazaina izany fa afom-pitiavana io nentin’i Jesoa ho antsika io, araka ny hirantsika hoe : Ny foto-diako ety an-tany, handrehitra fitiavan-dehibe. Koa amin’ny maha afo azy dia mandoro izy no sady manadio. Mandoro izay harafesina rehetra, izany hoe izay ratsy sy ny loto rehetra mba ho dioviny hanjary hamiratra. Amin’izany, izay milalao azy no ho may fa izay manaiky ho dioviny kosa hanjary hanjopiaka, tsy hisy pentina. Izany no asan’ny Fanahy amintsika ka voafintina ao amin’ny hira hoe : Miantso Anao izahay, ry Tompo, fa mitady ny Fanahy. Mahasoa antsika ny miverimberina amin’izany ka tsy ny mihira azy fotsiny no mahafinaritra fa ny mandinidinika izay raketiny ho entina miaina ; tsara raha atao toy izany ny hira rehetra. Koa tian’i Jesoa hiredareda io afom-pitiavany io, hiampita ny fitiavany ka hanenika antsika rehetra. Efa voaraintsika izany tamin’ny batemy, araka ny voalaza hoe : Efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy nomena antsika ny fitiavana ; fa asa moa na voatahiry mirehitra na tsia. Ny afo raha zaraina tsy mihena fa vao mainka aza mitombo hery sy hazavana. Koa izay miaina sy mizara fitiavana ho ampoka fitiavana mandrakariva ka tsy hanan-tahotra. Fa ankoatra izany, tanteraka teo ambony hazofijaliany ny Batemin’i Jesoa ka nitenenany eto hoe : “manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany !”

Etsy andanin’izany, toa ohatran’ny hafahafa ny tenin’i Jesoa eto, manao hoe : “Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etỳ an-tany Aho ? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza”. Ny nantenain-kanirina indray no toa mampivandravandra, fihavanana no nantenaina taminy kanjo fampisarahana no nentiny : eo ny fifandrafiana na fifanoherana amin’ny mpianaka, mpiray tampo, mpivady, mpiara-miasa, mpiray fikambanana, mpiasa sy mpampiasa, tompon-trano sy mpanofa, ny mpiray vodirindrina… ankoatra ny nolazain’i Jesoa mivantana teo. Fianakaviana iray dia mifanao ankolafiny : ny zanaka samihafa ny finoana, ny ray aman-dreny nipoirana moa efa hafa mihitsy… Ny hazofijaliana anefa no nentin’i Kristy hamondronana antsika rehetra. Vitany ny anjarany fa antsika no mandray na tsia. Olana ihany koa isika manome hirika ny Demony, ilay mpampisaraka, hany ka miha-mahazo vahana izy rehefa mihataka amin’Andriamanitra isika, ary farany : izay tena manatona an’Andriamanitra no hany halan’ny Demony indrindra, diniho ny tataran’i Joba, ataony izay handavoana azy, hamono ilay afo narehitry ny Tompo. Fa izay maharitra ihany no ho voavonjy. Koa mahereza isika rehetra mba hiredareda ny afom-pitiavan’Andriamanitra efa nomeny antsika. Amen.