Alakamisy 01 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-26 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-12 — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

0 : 00

Ry kristianina havana, nifidy mpianatra roa amby fitopolo lahy hafa i Kristy, ankoatra ireo Apôstôly roa ambin'ny folo izany, satria mila mpiasa maro Andriamanitra, hiasa ao amin'ny sahany, hanitatra ny fanjakany. Tsy hoe tsy mahefa Andriamanitra ka mila antsika, fa isika olombelona mihitsy no mila mandray anjara amin'ny asam-pamonjena. Nirahana ireo mpianatra, hialoha lalana an'i Jesoa, izany hoe manomana ny olona handray Azy. Dia izay no asan'ny kristianina : manomana olona hidiran'Andriamanitra. Fa ny fampibebahana dia Andriamanitra irery no mahay manova ny fon'ny olona.

Nirahan'i Jesoa tsiroaroa ireto mpianatra satria amin'ny kolontsaina grika, nanoratan'i Masindahy Lioka ny Evanjely, dia tsy maintsy olona roa no mijoro ho vavolombelona vao azo ekena ho marina ny zavatra iray. Entina hilazana koa hoe tsy reharehan'olombelona ny fitoriana ny Evanjely fa fiaraha-mientana ary fifankatiavana aseho ho hitan'ny olona. Ny hafatra voalohany nataon'i Jesoa dia hoe mangataha amin'ny tompom-bokatra, izany hoe io ilay vavaka ho an'ny fiantsoan'Andriamanitra asandratsika isan'andro. Tontolo sarotra ilay hidirana, ary asan'Andriamanitra ilay hatao ka mila miorina mafy amin'ny finoana sy amin'ny fitokisana an'Andriamanitra.

Mila olona afaka, malalaka, tsy voagejan'inona na inona, na fomban-tany na harena, no hitoriana izany fanjakan'Andriamanitra izany. Ny antso sy ny toriana voalohany dia ny fiadanana, izay mampangetaheta an'izao tontolo izao ankehitriny. Maika dia maika ny fitoriana satria efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. Alao hery àry, mila olona Andriamanitra, miantso sy maniraka hijinja ny vokany, hampijro ny fanjakany, dia ny fanjakan'ny fiadanana. Amen

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...