Alahady 28 jona 2020 — Alahady faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 37-42 — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin'ny Anaran'ny Tompo. Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin'ny Avo indrindra.

0 : 00

Ho antsika izay te hanara-dia anʼi Jesoa Kristy àry dia tsy mora velively ny zavatra miandry.

Voalohany amin’izany dia ny fandavana ny tena. Ny fitiavana anʼi Jesoa mihoatra ny zavatra rehetra no takiana amin’izany ka anisany ireo olona izay tena akaiky antsika : ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary ireo namana. Tsy afaka ny hitondra ny hazofinjaliantsika mihitsy isika raha tsy manome toerana voalohany anʼi Jesoa ao am-pontsika mihoatra ny olona rehetra, satria Izy Jesoa mantsy no arahina. Ny fitiavana dia fahafoizana, izany hoe rehefa tianʼi Jesoa dia vonona hamoy ny aina noho Izy, tahaka ireo martirinʼny finoana izay nahavatra mihitsy nanaiky ho faty noho ny fitiavana anʼi Kristy. Tsara ny manamarika fa i Jesoa eto tsy niteny mihitsy hoe ‟Aza tiavina ny ray na ny reny na ireo zanaka", fa ireo àry no tokony hampitomboantsika mandrakariva ny fitiavana azy ireo fa aoka kosa mba tsy ho sakana ireo olona ireo amin’ny fanarahan-dia Azy.

Ny faharoa, dia nampanantena i Jesoa fa tsy ho very valisoa ireo manara-dia Azy. Izy irery ihany araka izany no mahafantatra izay tokony ho valisoantsika. Valisoa izay tsy mitovy velively amin’ny valisoa fanomenʼolombelona. Andriamanitra mantsy dia tsy afaka manome ankoatra ny Tenany, dia tsy inona izany fa ny Fitiavany. Fa io fitiavany io dia miseho amin’ny endrika maro samihafa eo amin’ny fiainantsika. Ka noho izany, eo am-panarahan-dia Azy, dia tokony hiezaka hatrany isika hanao ny tsara. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...