18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.

Lasa chanoine izy ny taona 899. Tsy afa-po tamin'izany izy ka namaky ny fitsipi-piainan'i Masindahy Benoît, tao Saint-Martin, ary niditra ho mpikambana tao ny taona 909, tao amin'ilay trano fitokana-monina tao Baume, ary i Bernon, ilay abbé voalohany tao Cluny no nanome azy any akanjon'ny mpitoka-monina. Voatendry ho abbé fahatelo tao Aurillac indray izy avy eo. Izy anefa no nofidian'i Bernon handimby azy, ka rehefa maty io ny taona 927, dia i Odon no nisolo ny toerany tao Cluny. Nanorina fiangonana izy, nantsoina hoe Saint-Pierre-le-Vieux. I Odon ihany koa no nanangona ireo asa soratra voalohany tao Cluny, ary nanoratra boky maro momba ny mozika noho ny fahaizany sy ny fahalalany izany. Nodimandry ny 18 nôvambra 942 tao Tours, i Odon.

I Masindahy Odon no nampiely manerana an'i Europe ny fitsipi-piainan'i Masindahy Benoît. Anisan'ny nampiavaka ny teo-panahiny ny faharetana sy ny fialana ny fiainan'izao tontolo izao, ny hafanam-po amin'ny famonjena ny fanahy sy ny firotsahana amin'ny fampanjariana ny fiadanana, ny fanajana ny didy sy ny fijerena manokana ny mahantra sy ny tanora ary ny zokiolona. Tsy nitsahatra niaro ny fanajana ny Sakramenta Masina i Odon. Ho azy dia izay tena mifandray am-po sy fanahy amin'i Kristy ihany no mendrika handray ny Eokaristia, ary ny mifanohitra amin'izany dia manameloka ny tenany. Mpitarika am-panahy ny mpino, tamin'ny androny, i Masindahy Odon, nanoloana ireo hadalana nisy tamin'izany fotoana izany, izay nanjaka tao amin'ny toerana nisy azy. Hainy ny nizara ny hafaliana nameno ny fiainany. ny fiovam-piainana ho azy dia ny mifototra main'ny fanetren-tena, ny fialana amin'ny zavatra mampivarilavo sy mandalo, mankany amin'ny zavatra maharitra sy mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...