26 ôktôbra — Avy any antioche i Evariste, ary jody ny rainy. Tsy dia fantatra loatra ny fotoana nibebahany ho kristianina, sy ny hoe ahoana no nahatongavany tao Roma. Ny fantatra dia hoe pretra izy, ary nanohana ny mpino krisitianina tamin'ny oha-piainana sy ny fitiava-namana ary torolalana samihafa.

Tao aorian'ny nahafatesan'ny papa Anaclet, dia i Masindahy Evariste no voafidy handimby toerana azy. Tamin'izany fotoana izany dia nisedra olana maro ny Fiangonana nanoloana ny fanenjehan'ireo mpanompo sampy. Teo ihany koa ny fisaraham-bazana vokatry ny fampianaran-diso sy ny sekta gnostique, tafiditra tao amin'ny finoana kristianina. Notandrovan'i Evariste fatratra ny fahadiovam-pinoan'ireo ondriny, ary narovany mafy tsy ho latsaky ny poizin'ny fampianaran-diso ny fo sy ny fanahin'ny kristianina. Tsy nitandro hasasarana izy, tsy ho an'ny pretra fotsiny ihany, fa indrindra ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly matetika ho an'ny olona. Teo ihany koa ny famangiana ny Fiangonana teo an-tanana tamin-kafanam-po. Izy no nemetraka ny fitsipika hisian'ny diakra fito manotrona ny eveka mandritra ny fanatanterahany ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Izy ihany koa no namoaka ny didy araka ny lovam-panahy navelan'ny Apôstôly, fa tsy maintsy atao ampahibemaso ny fankalazana ny mariazy, ary ahazoana ny tso-dranon'ny pretra izany. Nandritra ny sivy taona sy telo volana no nitantanan'ny papa Evariste ny Fiangonana maneran-tany. Pretra fito ambin'ny folo no nohamasininy, diakra roa ary eveka dimy ambin'ny folo.

Tamin'ny fotoana nitantanan'i Evariste ny Fiangonana no nanenjehan'i Trajan ny fivavahana kristianina. Io no heverina fa fanenjehana fahatelo lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana. Ny sivy taona farany nanjakan'i Trajan mantsy dia famonoana olona mahatsiravina no fomba nanenjehana ny finoana kristianina tamin'izany. Mba ahafahany mahazo mora ireo andian'ondry ireo dia ny mpiandry ondry mihitsy aloha no tafihany voalohany, dia tsy iza izany fa ny papa. Nosamborina i Evariste ary nampidirana am-ponja. Henika hafaliana izy tamin'izany satria nijaly sy ho faty ho an'i Kristy. Niara-novonoina moa i Evariste sy i Ignace d'Antioche ka nalevina tao Vatican izy ireo rehefa maty tao amn'ny fasan'i Masindahy Pierre.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...