25 ôktôbra — Teraka tao Egypte i Chrysanthe. Sénateur romanina nantsoina hoe Polémius ny rainy, tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Numérien. Mbola kely i Chrysanthe dia efa niaraka tamin'ny rainy nitety an'i Roma tamin'izany asany izany ; ary tamin'izany no efa nahitan'ny olona ny faharanitan-tsain'i Chrysanthe.

Nandalina ny filôzôfia izy, nefa tsy afa-po, ary resy lahatra izy tamin'izany fotoana izany fa tsinontsinona ny sampy. Dia nanomboka nitady ny marina izy : ny marina izay nanafaka azy tamin'ny tebiteby namatotra azy. Noho ny hatsaram-pon'ny Tompo dia nahita izay notadiaviny izy : pretra iray antsoina hoe Carpophore, niafina tany anaty lava-bato noho ny fanenjehana no sendra azy. Io no nampianatra azy ny finoana sy nanao batemy azy. Rehefa niverina tany an-tanana i Chrysanthe afaka herinandro dia nanomboka nitory an'i Kristy tamin'ireo fianakaviany. Niezaka nanova hevitra an'i Chrysanthe i Polémius rainy, satria nambaran'i Polémius fa finoanoam-poana sy hadisoana be vava ny ataon'i Chrysanthe. Nataony avokoa ny fomba rehetra : teo ny tambitamby amin'ny harena sy ny fahafinaretana, teo ny fiangaviana, teo ny fandrahonana ; fa tsy nampiova hevitra an'i Chrysanthe velively izany. Nohidin'i Polémius tao anaty lakavy tao an-dapa i Chrysanthe mba hiova hevitra rehefa trotraky ny hanoanana. Tsy nandaitra izany satria vao mainka nampahazo aina an'i Chrysanthe ny fifadian-kanina sy ny fanokanana azy ho irery tao amin'izany toerana izany. Dia napetrak'i Polémius tamin'ny trano voahaingo tsara indray i Chrysanthe, nandefasany tovovavy mba handresy lahatra azy amin'ny oroka sy ny safosafo, nefa tsy nampiraika an'i Chrysanthe izany, noho izy niantso vonjy tamin'Andriamanitra ka isaky ny manatona azy ireo tovovavy dia novesaran'ny torimaso ny mason'izy ireo ka tsy nahavita na inona na inona. Nantsoin'i Polémius àry, i Daria, vehivavy virjiny sady tsara tarehy, avy any Athènes izy io, liana ihany koa ary tena havanana amin'ny filôzôfia. Io no nantsoina, niezaka handresy lahatra an'i Chrysanthe, fa novalian'i Chrysanthe tamin'ny hevitry ny fahafatesana sy ny fitsarana farany. Naverimberin'ity tovovavy ny voninahitra amin'ny fanaovan-tsorona amin'ny sampy, fa hoy i Chrysanthe hoe : "Tsy misy manohitra ny hevitra marina afa-tsy ny mitsaoka amin'ireo zavatra toy ny tany sy ny rano ary ny afo, ary manome izany endrik'olona". Tsapan'i Daria teo ny tena fahendrena ka nanapa-kevitra izy ireo hiombona amin'ny mariazy, ary samy hitandro ny fahadiovana mamndram-pahafaty. Avy eo izy, niara-nitory ny Vaovao Mahafaly tany Roma. Nahatsiaro ho nahazo fahafahana tamin'izany fiombonana masina izany i Chrysanthe satria afaka nanohy ny fitoriana an'i Jesoa Kristy. I Daria dia nanahaka azy sy nanaraka izay nataony, ary maro ireo olona nibebaka tamin'ireo manam-boninahitra tao Roma.

Ny tena nisongadina tamin'ny asa fitoriana nataon'i Chrysanthe, dia ny nahafahany nampibebaka an'i Claudius, ilay mpandaha-teny. Tsy i Claudius irery anefa fa teo koa i Hilaria vadiny sy i Jason ary i Maur zanaka lahin'izy ireo, ary ireo mpanompony sy ireo miaramila miisa fitopolo. Marihana fa i Claudius no nampijaly an'i Chrysanthe talohan'ny nibebahan'izy efa-mianaka ireo. Maro ireo mpanompo sampy no tsy faly noho izany ka nitatitra izany tamin'i Célerinus, Préfet tamin'izany fotoana izany. Nasain'io nosamborina sy novonoina avokoa i Claudius sy ny vady aman-janany, ary i Chrysanthe sy Daria, nafatotra ary nampijaliana. I Chrysanthe, rehefa avy nampijaliana tamin'ny fomba maro samihafa dia nohidina tao am-ponja, fa i Daria kosa, nalefa tany amn'ny toerana tsy zarizary ho viravirain'ny lehilahy. Niaro ireto mpanompony ireto anefa ny Tompo, ka nandefa liona Izy, hiaro an'i Daria tamin'ireo lehilahy ireo, ary nahagaga fa nibebaka avokoa ireo lehilahy saika hamiravira an'i Daria. I Chrysanthe ihany koa dia afaka madiodio. Tsy nionona tamin'izany anefa ny amperora fa mbola nanameloka azy ireo indray ka nalevim-belona tao Salaria i Chrysanthe sy i Daria ary tao no nodimandry. Betsaka ny olona tonga nanaja azy ireo tao aorian'izany fotoana izany teo amin'ity toerana nandevenana azy ireo ity. Herintaona tao aorian'ny nahafatesany dia maro ireo olona tonga teo, hahatsiaro izany fotoana nahaterahan'ireto olomasina ireto any an-danitra izany, ka nisy pretra sy diakra nitarika ny Sorona Masina tamin'ny lava-bato teo akaikin'ity toerana ity. Nomen'ny amperora Numérien baiko ny miaramila, hampina ny vavan'ny lava-bato izay nidiran'ireo kristianina hanolotra sorona ho an'Andriamanitra ireo, ka dia maty tao avokoa ireo kristianina rehetra niara-niombom-bavaka tamin'izany fotoana izany.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...