18 ôktôbra — Tamin'ny taonjato voalohany i Luc no niaina, Syrien izy ary teraka tao Antioche. Misy milaza fa mpanompo sampy i Luc, nefa ny tahirin-kevitra sasany milaza fa nanaraka ny fombam-pivavahana jody izy. Mpitsabo no asany, fa nana-talenta tamin'ny hoso-doko ihany koa.

Entitra sy marani-tsaina izy, liana ny hahafantatra an'i Jesoa ka nandeha nitady Azy. Nahita izy ka nino, ary nandray ny tenin'ny Tompo hoe : "Izay te ho mpianatro dia mandao ny zavatra rehetra ka manaraka Ahy". Notanterahany tokoa izany teny izany, nanaraka ny Tompo tsikelikely ary nibebaka izy. Vavolombelon'izany ny fitantarany ny fiainan'i Kristy : ny fijalian'ny Tompo, ny fitsanganany ho velona, ny niakarany tany an-danitra, ny nadraisany ny Fanahy Masina tao amin'ny Cénacle ny andron'ny Pantekôty. Izany rehetra izany dia hita ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Masindahy Luc avokoa. Dia nandeha nitory ny Vaovao Mahafaly izy ka nandao an'i Antioche, tanindrazany.

Nahafaly an'i Masindahy Luc ny nanara-dia an'i Masindahy Paul, ary noraisiny ho toy ny mpampianatra mihitsy i Paul. Niaraka taminy izy ary nanampy azy, namana mahatoky, ary ny dia rehetra nataon'i Masindahy Paul dia niarahany avokoa. Tsy nitarai-tana-miempaka izy tamin'izany fa niharitra na ny havizanana, na ny fijaliana na ny fanenjehana. Araka ny voalaza ao amin'ny Canon an'ny Muratori, boky nosoratana tamin'ny taonjato faharoa dia tao aorian'ny niakaran'ny Tompo tany an-danitra no noraisin'i Paul ho mpiara-miasa tamin'ny i Luc. Tsy mba nanam-bady na nanan-janaka izy tamin'izany. Nanaraka an'i Paul izy nanomboka tao Macédoine ka hatramin'ny nisamborana an'i Paul tany Roma sy ny namonoana azy. Araka ny filazan'i Epiphane dia nandeha niverina nitory ny Vaovao Mahafaly tany Macédoine, Italie, Gaule ary Dalmatie i Luc rehefa maty i Paul. Nitoka-monina izy ary teo amin'ny fahefatra amby valopolo taonany izy no nodimandry tao Boétie. Tamin'ny taonjato fahefatra dia nafindra tao Patras, tao amin'ny fiangonan'ny Apôstôly tao Constantinople ny sisan-taolany, ary izany no nahatonga ny fanajana ny reliques an'ny olomasina tao.

I Masindahy Luc no voalaza fa nanoratra ny Evanjely fahatelo sy ny Asan'ny Apôstôly, ao amin'n Soratra Masina. Mampiavaka ity Evanjely ity ny fitantarana ny antsipirian'ny fahatongava ho nofo sy ny nahaterahan'ny Mpamonjy, ary ny fanambarana sy ny famangian'ny Anjely. Ny Asan'ny Apôstôly indray dia mitantatra ny fitoriana nataon'ireo mpianatry ny Tompo sy ny fiainan'ny Fiangonana tany am-piandohana. Voalazan'ny lova-tsofina ihany koa fa nahazo fahasoavana tamin'i Maria Renin'ny Tompo i Luc mba hanao ny sariny. Nijoro teo anoloany i Masina Maria nandritra ny nanaovany izany sary izany, ka rehefa vita ny sary dia nitso-drano izy hoe :"Hambomba ity sary ity hatrany ny fahasoavako". Maro ireo olona manaja io sary nataon'i Masindahy Luc io. Marihana fa i Masindahy Luc no mpiaro ny mpitsabo sy ny mpanao hoso-doko.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...