14 ôktôbra — Niaina tany amin'ny taonjato fahatelo tany i Calixte na Calliste ary martiry. Kristianina izy, fa andevo babo, ary nasain'ny tompony nitantana banky iray. Tsy nahay nitantana izy ka lasa bankirompitra izany banky izany ary nohelohina izy ho any amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, tany Sardaigne.

Fantatry ny vadin'ny amperora Commode izy. Ity vadin'ny amperora ity dia vehivavy mafana fo amin'ny maha kristianina na dia tsy tsara fitondran-tena loatra aza. Io no nanome azy fahafahana. Nihataka tany Roma izy ary nahazo fanampiana avy amin'ny papa, Masindahy Victor, ary izay no nahafahany nandalina ny Soratra Masina. Rehefa afaka izy dia tonga archidiacre an'ny papa Zéphyrin, ary nanorina fasana, izay mitondra ny anarany, tao amin'ny Via Appia, ka ao daholo no milevina ireo papa nifandimby tamin'ny taonjato fahatelo. Ao ihany koa no ahitana ireo vakoka sarobidy, ny fasan'i Masimbavy Cécile, ary ny hoso-doko maneho ny finoan'ny Fiangonana tany am-piandohana ka mandrak'ankehitriny.

Tamin'ny fotoana naha papa an'i Calixte dia maro ny olona no nibebaka. Izy no nanome alalana ny fanambadiana teo amin'ny andevo sy ny olona afaka. Izy no nitsipaka ny fisarahana nataon'i Hippolyte. Izy ihany koa no nanalefaka ny fepetra fidirana ho ao amin'ny catéchumenat. Nihamafy ny fanenjena ny kristianina tamin'izany fitantanan'ny papa Calixte izany. Anisan'ireo nenjehina izy, ary nialokaloka tao amin'ny tranon'i Pontien niaraka tamin'ireo pretra folo lahy. Nohodidinin'ny miaramila izany trano izany ka tsy nisy na inona na inona afaka niditra tao amin'io toerana io. Nandritra ny efatra andro, tsy navela nihinan-kanina mihitsy ny papa Calixte. Tsy nampaninona azy izany, fa nanome hery vaovao ho azy ny fifadian-kanina sy ny vavaka.

Indray alina, niseho tamin'i Calixte i Calépode ary nanolotra sary sokitra azy ka nialaza hoe : "Raiso, ary mahereza, fa efa nahatsahana ny fijalianao ny satro-boninahitrao". Inona tokoa, nanome baiko ny Préfet mba hokapohina amin'ny hazo isa-maraina i Calixte, ary ho vonoina avy hatrany ireo olona mikasa hiditra ao aminy ny alina. Nisy miaramila iray nampijalian'ny aretim-bavony ary nangataka ny hositranin'i Calixte. Fa hoy i Calixte : "Raha inoanao amin'ny fonao manontolo i Jesoa Kristy ka mandray ny batemy amin'ny anaran'ny Trinite Masina ianao, dia ho sitrana". Dia hoy ilay miaramila : "Mino aho, ary te hatao batemy. Mino aho, fa hanasitrana ahy Andriamanitra". Vao vita ny batemy dia sitrana izy, ary tsy namela marika akory izany aretina izany. "Eny, hoy izy, ny Andriamanitr'i Calixte ihany no tena Andriamanitra marina. Atsipy any anaty afo avokoa ny sampy, ary hanjaka mandrakizay anie, i Jesoa Kristy". Henon'ny Péfet izany fibebahany izany, ka nokapohina io mandram-pahafatiny. I Calixte kosa, namatorana vato be ny tendany, ary natsipy avy eny am-baravarankely ka nalatsaka tany anaty dobo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...