21 mey — Teraka tao Totatiche, diôsezin'i Guadalajara, Mexique ny 30 jolay 1869 i Christophe na i Cristóbal. Magallanes Jara no anarany, pretra izy, nohamasinina tamin'ny 17 septambra 1899 ary isan'ireo martiry 25 tao Mexique.

Mpitantana am-panahy ireo pretra rahalahiny izy ary naharitra tamin'ny fiantsoana azy ho pretra. Misiônera izy ary fatra-panaja an'i Masina Maria. Rehefa nakaton'ireo mpanenjika ny Fiangonana ny seminera tao Guadalajara, dia nanokatra seminera tao amin'ny paroasiny izy mba hiarovana sy ho fanofanana ireo izay ho dimbiny. Nanoloana ireo mpamono, izay vonona hitifitra azy dia mbola nanana hery sy fahasahiana izy nankahery ireo martiry namany hoe : "Mitonia, ry zanako, fotoana vitsy monja dia ho tonga any an-danitra". Avy eo izy nitodika tamin'ireo miaramila ka nilaza hoe : "Ho faty aho, ary mangataka amin'Andriamanitra mba ny rako latsaka dia hitondra fiombonana ho an'ny Meksikana rahalahiko". Novonoina ny 25 mey 1927 i Christophe Magallanes, tao Colotlán. Ny 22 nôvambra 1992 izy no nasandratry ny papa Jean Paul II ho olontsambatra ary ny 21 mey 2000 no nasandrany ho olomasina niaraka tamin'ireo martiry 25 namany.

Raha tsiahivina kely ny tantara tao Mexique tamin'izany dia niaina tao anatin'ny korontana pôlitika sy ny ady an-trano izy ireo, ary nanamarika izany ny fanoherana ny pretra. Ny taona 1913, dia nivoaka ny didy hanakatonana ny fiangonana sy ny hisamborana ny pretra. Voarara ny fitenenana hoe "Adios" izay midika hoe "Raha sitrapon'Andriamanitra". Voarara ihany koa ny nampaneno lakolosy, ny mampianatra ny ankizy hivavaka. Nopotehina ny fiangonana, norahina ny fikamban-drelijiozy. Natao mpandika lalana ny fikambanana mampiasa tsy miankina amin'ny fanjakana. Nambaranan'ny arseveka tao Guadalajara tamin'ny papa Benoît XIV tamin'ny fitsidihany tany Vatican fa hadisoana ny fanavahana ireo tompon-tany tsy ho afaha hiroso amin'ny asa fisoronana. Ireo pretra ihany koa, misy tsy ampy fahaizana. Tamin'ny taona 1917 àry, voafidy ny lalana manohitra ny pretra, ary tena nampiharina an-tsakany sy an-davany io tamin'ny andron'ny Jeneraly Plutarco Elias Calles tamin'ny 1924. Naherisetra ny fanenjehana ary noheverin'io Jeneraly io fa tsy afaka miara-dalana mihitsy ny fanjakana sy ny finoana katôlika. Niseho tsikelikely ny fanoheran'ny vahoaka izany lalana izany, ka nanao fivahinianana masina, nidina an-dalambe izy ireo. Notsenain'ireo miaramila tamin'ny basy izy ireo fa tsy kivy. Im-betsaka izy ireo no nanao izany, fa tsy kivy ihany koa ireo mpitandro ny filaminana amin'ny famonoana. Ireo izay nigadra dia novnoiona ka niantsoantso hoe : "Ho ela velona anie i Kristy". Nandritra ny 1926 hatramin'ny 1929 izany tranga izany, ary nahatsapa ny fanjakana fa tsy mitondra na inona na inona ho azy ireo. Ny 21 jona 1929 àry, nisy ny fifanarahana ka niverina naneno indray ny lakolosy tao Mexique.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...