Mampitombo ny vola miditra hoan’ny fianakaviana misehatra aminy ny fambolena voly maharitra toa ny voasary. Maro amin’ireo tantsaha ao amin’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA faritra Amoron’i Mania no mifototra amin’izy io ankehitriny. Isan’izany Madame Njara ao amin’ny fikambanana fototra Soa Maniry ao Ambondromisotra distrikan’Ambatofinandrahana....
Tapa-kevitra hamokatra menaka vita amin’ny soza koa ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny. Mampiroborobo ny fambolena soza ny tantsaha raha toa ka ny lojy fotsy, mainty maso, no nimasoan’izy ireo teo aloha. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ka nampirongatra ny bibikely mpanimba voly tany aminy, dia nampiroborobo izay voly soza izay ny tantsaha tao amin’ny distrikan’i Ambatoboeny...
Mbola iharan’ny olana amin’ny fizakana tany ny ankamaroa’ireo vehivavy tantsaka eto amintsika. Maro koa ny olana hafa mitranga. Nivoitra nandritra ny fanatevena-pahalalana momba ny tontolon’ny fananan-tany nandraisan’ny solontenan’ireo tantsaha ao amin’ny Réseau SOA avy amin’ny faritra miisa efatra dia ny eto Analamanga, ny any Boeny, Matsiatra Ambony ary Bongolava sy ny tantsaha avy amin’ny FIFATA avy any Ihorombe, Vakinakaratra ary Itasy...
Tsy azo idovirana intsony fa lalan-tokana ivoahana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny sehatry ny fandraharahana. Nivoitra tamin’ny fampiofanana an’ireo tantsaha avy amin’ny fikambanana miisa dimy tany amin’ny
faritra miisa efatra iasan’ny Réseau SOA natao teny amin’ny FOFIKRI Ilafy nandritra ny roa andro izany. Fampiofanana vokatry ny tetik’asa an’ny AGRICOR, nomena ny anarana hoe FAO FS, vatsian’ny GIZ vola, ary manatanteraka kosa ny Réseau SOA sy ny AFDI ary ny FERT kosa hoan’ny FIFATA. Lohahevitra nitondrana ny fihofanana ny hoe: “fandraharahana amin’ny tontolo ambanivohitra”....
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco