Nitondra fihovana teo amin’ny sehatry ny fambolena ny fikarohana natao tamin’ny zezika kankana nandritra ny 15 taona mahery nirotsahana an-tsehatra taminy. Izay no nambaran’Andriamatoa RANAIVOARISON Basil na i Papa Bio, filoha mpanorina ny fikambanana Lanja Miakatra. Nahafahana namono ny bibikely mpanimba voly toa ny lolo fotsy tsy matin’ny fanafody maro ny ranona zezika kankana novokarin’i Papa Bio. Foana hatreo hoy izy ny fibabena zaza tsy mitomany na ireny fitaovana famonoana bibikely mpanimba biby fibaby fampiasan’ny tantsaha ireny...

Maro ny fambolena azo atao amin’ny zezika kankana hoan’ny ao Soavinandriana, faritr’i Itasy. Afaka mamboly lavanila, frezy izay mbola tsy fanao tany an-toerana i Papa Bio amin’izao fotoana izao. Mahatoraka ny vokatra avy amin’ny faritra mpamokatra azy no azo hoy izy.

Nampitombo ny taham-bokatra miakatra koa ny fampiasana ny zezika kankana. Maherin’ny dimy mantsy ny babon’ny katsaka iray. Afaka mamboly vary mihoatra ny in-droa ny tantsaha amin’ny faritra mafana sy ampy rano. Malaky mantsy ny fitombon’ny vary aorian’ny fanetsana azy. Mitombo koa ny haben’ny tongolo hoan’ireo mampiasa ny zezika kankana. Isan’izany ilay ramatoa monina ao Mahitsy, nampitolagaga ny haben’ny tongolo namboleny. Nampitombo ny lanjam-bokatra isaky ny hektara.

Nahafahana nitahiry ny vokatra mandritra ny fotoana maharitra koa ny fampiasana ny zezika kankana. Isan’izany ny voatabia. Maharitra tapa-bolana farafahakeliny ny voatabia ampiasàna azy. Miova koa ny tsirony ary azo atao ranom-boakazo tsara hoan’ny zazakely. Mitondra fahasalamana izany rehetra izany hoy Papa Bio.

[Miara-dàlana] Zoma 27 novambra 2026

• Nankalazaina omaly ny faha-23 taonan'ny Radio Fanasina ao amin'ny Diosezin'i Morondava… • Nanentana ny mpino hampanjaka ny fiadanana sy fandriampahalemana ny Ray masina, nandritra ny Audience générale ny 25 novambra 2026… • Any Burkina Faso, mirotsaka amin'ny fiarovana ny fahamendrehan'ny vehivavy ny Eglizy…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...