Raha hanontany anao aho izao hoe : oviana i Jesoa no teraka ? 25 Desambra hoy ianao. Tsy tena fantatra anefa hoe andro inona no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Ny ao amin’ny baiboly koa tsy nisy nilaza izany.

Talenta miavaka ny ananan'i Danny... Fikirakirana ny hazo hanome endrika hafa ny finday.

Asatanana tsy dia fahita matetika ity aroso amintsika ity: haingo manatsara ny endriky ny tanàna sady azo ampiasaina tsara toy ny seza rehetra. Miavaka raha samy seza izy ity, azo ahantona amin'ny toerana tiana ary natao ho an'ny rehetra.

Iza moa no tsy hazoto hivavaka. Iza no tsy te ho any am-piangonana. Fa rehefa tonga any dia misy ihany anefa ny maningana. Ho itanao ato anatin'ity vidéo fohy ity ireo fihetsika tsara ialàna rehefa mivavaka.

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...