Raha hanontany anao aho izao hoe : oviana i Jesoa no teraka ? 25 Desambra hoy ianao. Tsy tena fantatra anefa hoe andro inona no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Ny ao amin’ny baiboly koa tsy nisy nilaza izany.

Tsy nisy fankalazana an’io mihitsy talohan’ny taonjato faha-4, ny Paka ihany no nankalazaina. Fa ny kristianina taty aoriana no naniry ny hankalaza ny andro nahatongavan’ilay mpamonjy ho nofo, ka nitady andro hankalazana azy.

Dia daty inona àry izany e ? 

Any amin-dry zareo tavaratra an ! Rehefa volana desambra toy izao, dia fohy kely ny andro, vetivety dia maizina.

Ny romanina tamin’izany andro izany, rehefa nahita an’ilay masoandro nitsilopilopy, dia natahotra, ary nihevitra mihitsy ary fa ho faty tanteraka io masoandro io, ka ho rakotra aizina ny tany tontolo. Ny 21 desambra anefa, dia nanomboka nihalava indray ny andro ary niverina niposaka ny masoandro. Io no atao hoe solstice d’hivers. Sady lesona atao any am-pianarana ihany izany an !

Rehefa amin’io fotoana io dia nanao fety be ry zareo nankalazana an’ilay masoandro tsy mety resy, na “Sol Invictus”, ary tena nalaza io fety io.

Ho an’ny kristianina anefa, i Kristy no masoandro mpitondra fahazavana ho azy ireo, ary ny nahaterahan’i Kristy no toy ny fahazavana niposaka ho an’izao tontolo izao.

Ny taona 354, nifandinika ny amperora Constantin sy ny Papa Liberius ary nametraka ny Noely ho 25 desambra.

Nanomboka teo, ny sasany nankalaza an’ilay andriamanitra masoandro “Sol Invictus”, fa ny kristianina kosa nankalaza an’i Kristy teraka ho antsika. Dia izay no nahatonga ny noely ho 25 Desambra. Nihanitombo anefa ny kristianina ary nihalevona tsikelikely ny fankalazana an’i “Sol Invictus.”

Ho an'ny fiangonana tatsinanana dia ny datin'ny epifania no nankalazaina ny nahaterahan'ny mesia. Fa ny tandrefana no nitazona io daty 25 desambra "fête de la lumière" io. Noraisin'ny tandrefana kosa anefa ny alahady manakaiky io daty 6 janoary io ho fankalazana ny epifania hanamarinana ny famangian'ny majy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...