♦ Feno 17 taona androany ilay alatsinainy mainty, fandoröna haino aman-jery sy fandrobàna tranom-barotra lehibe tao an-drenivohitra. Tsy hita ny marina momba iny raharaha iny hatramin'izao... ♦ Hevitra diso voizina ny filazàna fa olana ara-drafitra no tsy nampandroso ny firenena hoy Randriamampionona Joseph Martin, mpitarika ny antoko RTM... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry tampoka, androany maraina, i Faniry Razafimanantany, mpanao gazety sy mpanao pôlitika eo anivon'ny antoko TIM... ♦ Nitrangàna fanafihana mitam-piadiana tao anatin'ny kianja iray fanaovam-baolina any atsinanan'i Mexique...
♦ Nanamafy ny fitakiana fandravàna ny andrim-panjakàna rehetra sy ny Lalam-panorenana ny vovonana pôlitika TAFITA ny sabotsy teo. Mila esorina anaty Fanjakàna ireo olon'ny fitondràna teo aloha, ho izy ireo... ♦ Vaky omaly tolak'andro ny tohodranon'i Tologoina eny amin'ny kaominina Ampahitrosy, distrika Atsimondrano. Atahorana ho vaky ihany koa ny fefiloha, ka tantsaha hatrany amin'ny 20.000 isa no tandindomin-doza amin'izany... ♦ Nitombo 20 isa indray ireo trangan'aretina voamarina fa nendran-drajako eto Madagasikara. Tafakatra 180 izany izao ny tranga voamarina fa MPox manerana ny nosy amin'ireo tranga rehetra mitotaly 475 hita...
♦ Mbola niantefan'ny safidin'ny ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Federasiôna ho mpanazatra an'ny Barea i Corentin Martins... ♦ Hisy ny fifanakalozana hiarahan'ny minisi-panjakàna eo anivon'ny fiadidian'ny Fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa sy ireo tanora eny Mahamasina anio... ♦ Mbola hitarina ka hitombo isa indray ireo olona atao fanadihadiana tamin'ilay tsingerin-taona nitera-doza teny Ambohimalaza, hoy ny Ministra Fanirisoa Herinaivo... ♦ Nitsoaka ary niafina i Bobi Wine ilay mpanohitra ougandais, herinandro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena any Ouganda. Voadidin'ny tafika koa ny toerana misy ny vadiny sy ny fiankaviany...
♦ Tsy handroso isika Malagasy raha tsy miova ny toe-tsaina ka anatin'izany ny ady amin'ny kolikoly hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kôlônely Randrianirina Michaël, tany Toamasina... ♦ Milaza tsy mahafantatra ny antony nampikatona ny biraon'ny HCC eny Ambohidahy ny Ministry ny Fitsaràna Fanirisoa Herinaivo... ♦ Mijoro ankehitriny ny Kômity vonjimaika misolo toerana ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara (CT OJM) izay hiasa mandra-pijoron'ny rafitra vaovao voafidy amin'ny alalan'ny fifidianana... ♦ Mbola hanohy ny fifampiresahana i Rosia sy Ukraine ary Amerika, taorian'ny dinika voalohany natao tany Abou-dhabi, izay mbola tsy nisy fehin-kevitra mivaingana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco