♦ Natsikafon'ny Cnoe androany, ireo tsy fahatomombanana hitany nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo... ♦ Nampiditra vola 500 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny fizahan-tany tamin'ny taon-dasa. Misy indray ny foara iraisam-pirenena momba ny fizahan-tany, ety Ivato, hampiroboroboana io sehatra io... ♦ Tafakatra 600 eo ny isan'ireo zaza latsaky ny 18 taona voatazona am-ponja. Misy ny atrikasa hitadiavana vahaolana sy hampitoviana ny fomba fijerin'ny mpitsara zaza tsy ampy taona, amin'ny fampiharana ny lalàna amin'izy ireo...
♦Hifarana ny alatsinainy voalohan'ny volana jolay izao ny fe-potoana fiasana ho an'ireo solombavambahoaka amperin'asa miisa 151... ♦ Miisa 600 ireo ankizy tsy ampy taona voafonja manerana an'i Madagasikara... ♦ Hanomboka anio tolak'andro manoloana ny Gara Soarano Analakely ny PODIUM hafanain'ny mpanakanto malaza samihafa, tafiditra amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena... ♦ Hamory ireo kardinaly ao amin'ny lapa Apôstôlika an'i Vatican ny Papa François ny voalohan'ny volana jolay... ♦ Nahafatesana olona miisa 9 sy naharatrana olona 46 hafa ny fipoahana nitranga tao amin'ny toby fitehirizana vanja tao Goudji tany N'jamena, alina...
♦ Mbola voasokajy isan'ireo firenena PMA, isan'ny mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara, raha ny tatitry ny PNUD omaly... ♦ Hanangana vondrona Parlemantera tsy miankina ireo solombavambohoaka lany tamin'ny fikambanana LAUY FAR... ♦ Mitaky ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena ny ARFM, tsy vahaolana hoy izy ireo ny fanantanterahana ny fifidianana nifandimby... ♦ Tafakatra 900 ireo olona mpanao fivahinianana Masina any LA MECQUE no namoy ny ainy, raha ny loharanom-baovao avy amin'ny AFP Agence France Presse alina... ♦ Mpikambana ao amin'ny C.C.A.T miisa 11, mpitaky ny fizakan-tena nikotrika korontana tany NOUVELLE CALEDONIE no voasambotra omaly...
♦ Nidina ny IDH na ny tondro momba ny fampandrosoana ny maha olona teto Madagasikara, ny taona 2020 sy 2021, noho ny fisian'ny valanaretina Covid-19 maneran-tany... ♦ Nifarana androany ilay atrikasa teknika ho famolavolana ny lalàna mifehy ny herinaratra eto Madagasikara... ♦ Mampitandrina ireo mpifaninana taminy, ny kandida Randrianasolo Nicolas sady Solombavam-bahoaka amperin'asa any Betroka, mba hampitsahatra ny fanaratsiana sy ny fanosoram-potaka...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco