♦ Tsy fantatra mazava hatramin'ny antoandro teo ny fivoaran'ny isan'ireo niharam-boina tamin'ilay loza teny Mahamasina. Tafakatra 13 ireo namoy ny ainy, 107 ireo naratra, raha ny antontan'isa navoakan'ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sasany... ♦ Taranja 13 no hisy lalao na katrok'ady avy hatrany anio, taorian'ny fanokafana ny lalaon'ny nosy omaly. Anisan'ny andrasan'ny maro ny lalaon'ny Barea sy ny Club M. Maorisana eny amin'ny kianjan'i Mahamasina, anio hariva... ♦ Valoa volana izao no tsy nandray tambin-karama toy ny hatramin'izay intsony ireo mpiasan'ny Antenimeran-doholona eny Anosikely. Manaitra ny Fanjakàna foibe izy ireo, mialohan'ny hirosoana any amin'ny hetsika hafa...
♦ Olona 12 farafahakeliny no namoy ny ainy, 80 naratra, vokatry ny fifanosehina teny Mahamasina, omaly hariva, nandritra ny fanokafana ny lalaon'ny nosy... ♦ Mampitandrina izay hitondra firenena amin'ny taona 2024 mba hanaraka ny lalàna sy hanaja ny mpiasa malagasy ny Fiombonam-ben'ny Sendikà Mpiasa Malagasy. Tafatsangana omaly teny Ankatso io vondron'ny sendikà maro io, ary nanao fanambaràna... ♦ Napetraka etsy amin'ny MBC Ivato ny "Guichet Unique" momba ny fanondranana vato sarobidy sy volamena any ivelany. Iray amin'ireo dingana lehibe hirosoana mankany amin'ny fahafahana manondrana volamena izy io, hoy ny Ministry ny Harena Ankibon'ny tany...
♦ Sokafana amin'ny fomba ôfisialy eny amin'ny Kianjan'i Mahamasina ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11... ♦ Nambaran'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, fa tany manana ny fiandrianany i Madagasikara ka tsy ekena ny faintsoana tafika avy any ivelany hiaro azy... ♦ Miatrika Kôngresy Nasiônaly mandritra ny roa andro, nanomboka androany, ny antoko HVM...
♦ Handray anjara amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, amin'ny alalan'ny antoko APM, Andriamatoa Razafitsiandraofa Jean Brunelle... ♦ Hanamarika ny andro anio ny lalao fanokafana ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11, izay tanterahana eto Madagasikara... ♦ Manao andiany maro ireo tanora sy ray aman-dreny, miezaka mijery ny torolalana amin'ireo hay ranty momba ny fampianarana ambaratonga ambony...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco