♦ Manodidina ny 80% izao ny tahan'ny fahantrana eto Madagasikara raha ny fanadihadiana nataon'ny Baky Iraisam-pirenena ny volana avrily 2024, teo... ♦ Nizara ny traik'efany tamin'ny fampijoroana sy ny asa sahanin'ny filan-kevitra ara-toe-karena sy sôsialy ary ny tontolo iainana tany Maroc ny tompon'andraikitra misahana izany rafitra izany... ♦ Mihamitombo hatrany ireo Malagasy manana olana amin'ny resaka tosi-drà sy ireo tratry ny homamiadana isan-karazany hoy ny tale jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Nisaotra sy nankasitraka ny fikambanana METER izay miady amin'ny fitsiriritana zaza na ny "pédophilie" sy ny fampiasàna ankizy amin'ny horonan-tsary mamoafady i Papa François tamin'ny vavaka Regina Tcheli omaly...

♦ Manavao ilay toro-lalana efa novolavolaina tamin'ny taona 2019 ampahafantarana ny ady sy fifanolanana rehetra mety hitranga amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny SAFIDY... ♦ Tsy misy fiantraikany amin'ny vola mivoaka eo anivon'ny orinasa JIRAMA ny fanaramàna an'i RON WEISS, ho tale jeneralin'ity orinasa ity... ♦ Nahazo ny amboara FAIR-PLAY teo amin'ny taranja baolina kitra ny Radio Don Bosco tamin'nyy tournoi Inter-Média 2024... ♦ Nifarana ny dinika hikatsaham-bahaolana eo amin'ny adin'i Israely sy ny Hamas izay natao tany Egypte, notarihan'i Egypte sy Qatar. Mitaky ny hialan'ny tafika Israeliana any Gaza ny Hamas...

♦ Nankalaza ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety androany, isika teto Madagasikara. Teny amin'ny Havoria Anosy no nanaovana ny lanonana ôfisialy... ♦ Misy mamingana sahady amin'izao herinandro mialoha ny fampielezan-kevitra izao, ny kandidà Solombavam-bahoaka laharaha faharoa, Augustin Rakotonirina, any amin'ny Distrikan'i Moramanga... ♦ Efa vonona ny kianjan'ny Makis Andohatapenaka, handray ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika eo amin'ny taranja Rugby à 15, sokajy vehivavy, manomboka rahampitso...

♦ Niakatra laharana iray i Madagasikara, saingy miiba ny naotiny, araka ny tatitry ny filaharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety nataon'ny RSF... ♦ Voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notontosaina omaly ny Tale Jeneralin'ny orinasa Jirama... ♦ Hiditra amin'ny andiany fahafolo amin'ity taona ity ny hetsika ara-toekarena sy fizahan-tany iraisam-pirenena ITM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...