♦ Nisokatra tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakana mpanao lalàna, amin'ity taona 2024 ity... ♦ Ilana vahaolana maharitra ny olana misy eny amin'ny anjerimanontolo, hoy ny Filohan'ny SECES... ♦ Mitaky fidinana ifotony, iarahan'ny rehetra, hanamarinana ny maha tsy tanimboly nohajarian'ny mponina aman-taonany ao amin'ny Kaominina Antaniditra sy Analasoa, Distrikan'i Moramanga, ny Fiangonana ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...

♦ Nosokafana nanomboka ny antoandro teo ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Antenimieram-pirenena. Tsy nitsitsy fitenenana ny filoha mpisolo toeran'ny Antenimieram-pirenena nilaza ireo tsy fetezam-pitantanana misy amin'izao... ♦ Misy fahataràna mihoatry ny voalazan'ny lalàna ny fomba fiasan'ny CENI amin'ny fikarakaràna ny fifidianana hoy ny Vovonana Firaisan-kina. Nanao fanambarà)na namaky bantsilana izany izy ireo, omaly... ♦ Nahatrarana fanondranana harem-pirenena indray tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Teran-tany vahiny iray no saika hanondrana biby arovana 31, toy ny tanalahy 20, sokatra ary zanaka bibilava...

♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ity taona ity ireo parlemanta mpanao lalàna manomboka anio. Hifanindry amin'ny fampielzan-kevitra izany ho an'ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitondra fanazavàna omaly ireo Sefo Fokontany 14 noesorina teny amin'ny boriborin-tany faha-IV ao an-drenivohitra. Misy kandidà solombavambahoaka hoy izy ireo no ao ambadik'izao, ka nahatonga azy ireo nitory teny amin'ny fitsaràna... ♦ Nanaiky handray vatsim-pianarana indray ireo mpianatra nitokona eny amin'ny Université Antananarivo. Niova hevitra indray fa tsy nitàna ny teny nomeny amin'ny fitakiana izay efa natombony ireo mpianatry ny faculté de sciences ...

♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-95 taonany, i Mompera Giovanni Follese... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ireo teritery sy ny tsy fanarahan-dalàna ny vovonana Firaisankina... ♦ Niova hevitra ka nanaiky ny handray ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana avy amin'ny Minisitra Mpiahy azy ireo androany, ny mpianatra teny Ankatso...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...