♦ Ny fanalàna ny firenena anaty fahantrana lalina no laharam-pahamehana kokoa noho ny fitakiana ireo NOSY MANODIDINA hoy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tamin'ny famaranana ny fivoriamben'ny COI... ♦ Olana ara-teknika tamin'ny groupe nampiasaina no nahatonga ny fahatapahan'ny herianaratra nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny filoha Andry Rajoelina,nitondra fialan-tsiny momba izany ny NYR IMAGE tompon'antoka tamin'ny fikarakarana... ♦ Mianatry ny Lycée Manjakandriana miisa 5 mianadahy no maty dobo an-drano tao Antsanitia Mahanjanga... ♦ Miisa 40 eo ireo vondron'olona, hitondra ny teny fisoarana ho an'ny Pape François, mialohan'ny fandevenana azy...

♦ Nandray ny fihaonana an-tampon'ny COI tety Ivato i Madagasikara androany. Nisongadina fa ilaina paik'ady fiarovana ireo ambana mitatao amin'ireo faritra ara-toe-karen'ny fari-dranomasimbe Indiana amin'izao... ♦ Nisy olana tampoka ny famatsiana herinaratra nandritra ny fanokafana ny fihaonana an-tampon'ny COI tetsy amin'ny CCI Ivato, androany... ♦ Naverin'ny Fanjakàna Maorisiana eto Madagasikara ny vongam-bolamena milanja 25,5kg naondrana an-tsokosoko. Nanolotra izany tamin'ny fomba ôfisialy androany ny Praiministra Maorisiana, Navin Ramgoolam... ♦ Nitondra fanovàna momba ny fombafomba atao mandritra ny fotoam-panevenana Papa ny Papa François...

♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato ny fihaonana an-tampony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI. Mandray anjara avokoa ireo firenena dimy mandrafitra azy... ♦ Mitohy ny fanampiana ara-bola ataon'ny frantsay na eo aza ny olana samihafa ara-toe-karena sy ara-tsôsialy miseho eran-tany hoy ny ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara... ♦ Nanambara ny Hery Politika Mitambatra fa tsy hetsika manamorona ny arabe no saika nataon'izy ireo omaly fa filanjàna sora-baventy tety Ivato. Tsy tanteraka nefa izany araka ny fanazavan'i Profesora Ralison Roger...

♦Notanterahana teny amin'ny Ekar Md François Xavier Antanimena ny Sorona Masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François. Natsoin'Andriamanitra hankalaza ny Paka any aminy ny Papa hoy ny Nonce Apostolique Mgr Tomasz GRYZA... ♦ Hotanterahana anio etsy amin'ny CCI, ety Ivato ny fihaonana an-tapony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI... ♦ Mivahiny eto Madagasikara ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Isany voaresaka tamin'ny fihaonana teny Iavoloha ny momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...