♦ Tsy handefitra amin'ireo manao fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ny Minisiteran'ny Tonotolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy... ♦ Mba hisorohana ny osoka amin'ny fifidianana manaraka, dia mandroso soso-kevitra hampiasana ny “vote électronique” sy ny fampiasana ny kara-panondro “biométrique”, ny antoko AREMA... ♦ Fahadisoana pôlitika goavana no nataon'ny fitondram-panjakana Malagasy, nandroaka ny masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana teo aloha, Ramatoa Isabelle Delattre, teto amintsika, hoy ny mpamakafaka pôlitika sy fifandraisana iraisam-pirenena iray...
♦ Fanakorontanana miseho mandritra ny fanadinam-panjakàna BEPC : Mpampianatra iray sy mpianatra miisa 18 mianadahy tra-tehaka tamin'ny fandikana laza adina Matematika tany amin'ny Faritra Sofia... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny fampidiran-ketra avy amin'ireo mpandraharaha ho antsika eto Madagasikara raha mitaha amin'ireo firenena hafa aty Afrika, tsy misy afa-tsy 11% mantsy izany... ♦ Ambony ny herijika afahana mandray ny lalao fifanitsanana hiadiana ny tompon-dakan'i Afrika na ny CAN eny amin'ny Kianjan'i Barea Mahamasina ny volana septambra izao hoy ny Filohan'ny Federasiôna Malagasy ny Baolina Kitra...
♦ Afaka hanao voyages telo isan'andro ny mpitatitra rehefa vita ilay lalambe migodàna mampitohy an'Antananarivo - Toamasina, mirefy 260 km io lalana io ary atao anatin'ny adinny roa ora sy sasany amin'ny hafainganam-pandeha 105km isan'ora... ♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, haharitra ora iray sy sasany izay fahatapahana izay noho ny olan'ny famatsiana menaka mavesatra... ♦ Hifarana anio 3 jolay ny fanadinana CFA na Certificat de Fin d'Apprentissage hitohy hatramin'ny rahampitso kosa izany ho an'ny fanadinana BEP sy ny BEPC... ♦ Tafakatra 39 ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay hetsi-panoherana ny fitondrana any Kenya...
♦ Nampahafantarina sy niadian-kevitra androany, teny amin'ny Carlton Anosy, ny tetikasa PEI, teti-pivoarana hamatsiana angovo eto Madagasikara... ♦ Tombanana hahatratra 3 hetsy sy 2 tapitrisa Dolara Kanadianina ireo vokatra avy eto Madagasikara izay kasaina hahondrana any Canada... ♦ Niisa 26 ireo tranga fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary avy eto Madagasikara, tato anatin'ny enim-bolana, raha ny tatitry ny AVG...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco