♦ Voatendry, alina, ny Praiministra vaovao. Hisahana ny fitantanana ny lehiben'ny Governemanta ny Jeneraly Zafisambo Ruffin Fortunat Dimbisoa hisolo an'Andriamatoa Ntsay Christian, noho ny toe-drahararaham-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna avy hatrany alina ny eo anivon'ny Gen Z, taorian'izao fanendrena Praiministra vaovao izao. Fandrebirebena pôlitika fotsiny izany ka toherinay marin-drano hoy izy ireo... ♦ Hanomboka anio ny fitanterana ireo milina mavesatra mpamokatra herinaratra 105 MegaWatt avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Hiteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena RN2, izany...
• Ho fantatra afaka antsasakadiny eo, ny anaran'ny Praiminisitra vaovao... • Mbola tsy tafiditra tao Ambohijatovo aloha hatramin'ny androany, ireo mpanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra. Mpanao gazety iray kosa no naratra nandritra ny fifanjevoana teny Anosibe... • Hanomboka rahampitso ny fitaterana ireo milina mpamokatra herinaratra izay efa nijanona ela tao Toamasina...
♦ Mbola mangingina ny ao an-drenivohitra ny tapany maraina teo. Mikasa ny hanohy ny hetsi-pitakiana ireo tanora anatin'ny Gen Z. Mbola voadidina mpitandro ny filaminana hatrany eny Ambohijatovo sy Analakely... ♦ Naneho ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny Nonce Apostolique, solontenan'ny Papa eto Madagasikara. Miaraka mifampizara ny mafy sy ny fijaliana ary ireo olana manahirana ankehitriny ny Eveka hoy i Mgr Thomasz Grysa... ♦ Niova indray ny vidin-tsolika ampiharina eto Madagasikara amin'ity volana oktobra ity. Nisy ny fidinana amin'ireo karazan-tsolika sasany, nisy koa anefa ny nisondro-bidy...
♦ Nahazo sanctuaire ny any Belo-sur-Tsiribihina. Notokanana sy notsofindrano... ♦ Vao mainka mafàna ny toe-draharaha-pirenena. Nidina an-dalambe ihany koa ireo mpomba ny fitondràna ny faran'ny heriandro teo. Mbola nosakanana, tetsy ankilany, ireo tanora mpanao fihetsiketsehana tarihin'ny Gen Z... ♦ Ankolafi-kery maro no sabotsy teo no nihaona tamin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha, manoloana ny toe-draharaha-pirenena. Tokony ho mpiasam-panjakàna no ho Praiministra hoy ny sendikàn'ny Administrateur civile... ♦ Antenaina fatratra ny hahitana fifanarahana momba ny ady any Gaza. Hisy ny dinika eo amin'ny Hamas sy ny delegasiôna Israeliana any Ejipta anio...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco