♦ Mila fotoana lavalava ny fanovàna tian-kapetraka eto amin'ny firenena ka vao miainga amin'ny fototra isika izao hoy ny antoko Vahoaka Miray, manoloana ny tsikera mahazo ny fitondrana... ♦ Mijoro amin'ny heviny amin'ny fampihenana ny saran'ny INTERNET ny fitondram-panjakàna ho tombontsoaan'ny vahoaka mivantana. Tolotra tsy azo heverina ho fihenam-bidy maharitra ny avy amin'ny mpandraharaha araka ny fanambarana iombonana nataon'ireo ministera miisa telo misahana izany... ♦ Manana vala tahaka ahafahan'ny tantsaha mitaratra ny fahombiazan'ny teknika PFUMVUDZA, avokoa ankehitriny ny Faritany miisa 6 eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...