♦ Mananjo hanao ny fangatahana fampitahana ny vokatra ireo kandidà raha miahiahy amin'ny fisian'ny fahadisoana na hosoka hoy ny komiseram-pifidianana eo anivon'ny CENI Ravalitera Jacques Michaël... ♦ Nanao be fiavy teny amin'ny foiben'ny CENI teny Alarobia nanambara ny ahiahiny amin'ny hosoka tamin'ny fifidianana ny Vovonana Firaisan-kina... ♦ Misy mampiahiahy ihany ny fandaharam-pianarana vaovao araka ny fanavaozana atao amin'izao fotoana izao hoy Mômpera Jules Ranaivoson, tompon'andraikitra misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana katôlika... ♦ Azo antoka fa hanana ny maroan'isa eo anivon'ny parlemanta any Inde ny antokon'ny praiministra Narendra Modi...
♦ Nanao fampitahana ny voka-pifidianana teny amin'ny CENI Alarobia androany, ny kandidà Firaisankina ao amin'ny Boriborintany Voalohany ao Antananarivo Renivohitra. Tsy azo ekena ny isan'ny mpifidy notovanana, hoy izy... ♦ Misy mampiahiahy ny fandaharam-pianarana vaovao araka ny fanavaozana atao amin'izao fotoana izao, hoy i P. Jules Ranivoson, Sekretera Jeneralin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katôlika, ka ilana fiaraha-miasa izany...
♦ Hamory ireo kandidà rehetra eto Antananarivo ny Vovonana Firaisan-kina. Fivoriana hanangànana ny kômity miaro ny safidim-bahoaka, manoloana ny ambaran'izy ireo fa hosoka nanerana ny nosy tamin'ny fifidianana teo... ♦ Miahiahy ny hitàran'izao fanoherana ny voka-pifidianana izao amin'ny korontana eto amin'ny firenena ny Kmf/Cnoe. Miantso ny tompon'andraiki-panjakàna handray andraikitra ity kômity mpanara-maso ny fifidianana ity... ♦ Hatomboka amin'ny zoma izao ny fanamarihana ny faha-64 taona niverenan'ny fahaleovan-tena. Hetsika maro no hisy mandritra izany, araka ny fampahafantarana. Hetsika maro no hisy mandritra izany, araka ny fampahafantarana nataon'ny kômity mpikarakara ny fetim-pirenena omaly...
♦ Nilahatra an-dalambe ary nilanja sora-baventy omaly ireo mpomba ny kandidà iray tany Vondrozo. Nambaran'izy ireo fa nivadika ny voka-pifidianana azon'ny kandidàny ka tsy ekeny ny tsy fanajàna ny safidim-bahoaka... ♦ Samy milaza ho manana porofo amin'ny fisian'ny hosoka ireo kandidà roa voalohany tamin'ny fifidianana solombavambahoakaa tany amin'ny disitrikan'i Toamasina. Samy nanazava tamin'ny haino aman-jery izy ireo, omaly... ♦ Miatrika ny fanadinana BEPC katôlika mandritra ity herinandro ireo mpianatra amin'ny taona fahatelo amin'ny Sekoly katôlika manerana ny nosy. Hitondra fanazavàna eto ny tompon'andraikitra eo anivon'ny fanabeazana katôlika...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco