♦ Andalam-pandinihana ankehitriny ny fanovàna ny fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana. Mitarika izany ny Ministeran'ny Fitsaràna... ♦ Mila hamafisina ny fitandroana ny filaminana amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy raha tiana ho tratra ny fanamby napetraka amin'ny fizahan-tany eto Madagasikara. Efa miarindoha tsikelikely mantsy ity sehatra ity taorian'ny fandalovan'ny Covid... ♦ Nitohy tao amin'ny distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny ny fizaràna hanam-pamokarana ataon'ny Mnisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an'ny tantsaha, tohana atao amin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA... ♦ Hivahiny any Arabie Saoudite sy Israel anio hariva ny lehiben'ny diplômasia amerikana Antony Bliken, mikasika ny ady "israely-palestina"...
♦ Mila fihaonan'ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fampiakarana ny saran-dalàna, isan'izany ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa hoy ny filohan'ny PMH, Andry Vola Razafindralambo... ♦ Hiatrika ny tapany fahatelo amin'ny taom-pianarana indray ny mpianatra rehetra manerana ny nosy manomboka androany. Misedra olana amin'ny fanarahana ny fianarana nefa ireo mpianatra any amin'ny toerana lavitra andriana amin'ny fotoam-pahavaratra toa izao... ♦ Mila paik'ady matotra ny fananganana firenena matanjaka sy vanona hoy ny filohan'ny antoko TIM, Marc Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Telo volana omaly ny ady eo amin'ny Hamas Palestiniana sy ny tafika Israeliana...
♦ Manahy ny fivangongoan'ny fahefana amin'ny filohan'ny Repoblika amin'ny fanendrena ny mpikamban'ny governemanta ny KMF/Cnoe... ♦ Tsy nanomana ireo izay hiara-hiasa aminy hitantana ny firenena ny filohan'ny Repoblika matoa mbola handray "CV" sy hitsapa ny fahaizan'ireo izay te ho ministra ao amin'ny governemanta, hoy ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Nisy nandroba ny fiangonana EKAR Saint Jena de Matha Andranomadio, Diôsezy Tsiroanomandidy ny alarobia teo... ♦ Mitaky onitra mitentina 370 tapitrisa Dolara amin'ny filoha Amerikana teo aloha, Donald Trump ny fanjakàna any New York - Etazonia, noho ny ambaran'izy ireo fa nanao osoka ara-bola ity filoha amerikana teo aloha ity...
♦ Tsy voafaritra anaty ny Lalam-panorenana ny hoe : manolotra olona 3 hisafidianan'ny Filohan'ny Repoblika ho Praiministra ny solombavambahoaka hoy ny filohan'ny KMF/Cnoe omaly... ♦ Manaraka ny Lalam-panorenana tsara ny fanendrena ny Praiministra hoy ny solombavambahoaka avy amin'ny vondrona IRD... ♦ Tantsaha maherin'ny 40.000 avy amin'ny Faritra 16 eto Madagasikara no nisitraka masomboly sy zezika avy amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana tamin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA... ♦ Tafakatara 1.900.000 ireo teratany Gazaoui nifindra monina any amin'ny faritra atsimon'i Gaza...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco