♦ 27 jona 1996 - 27 jona 2024 : Mankalaza ny faha-28 taona nijoroany amin'ity anio ity ny Radio Don Bosco, hanohy ny ezaka amin'ny fanatonana bebe kokoa ny mpihaino ho an'ny 28 taona ho avy ny onjam-peo hoy ny Tale mpitantana... ♦ Anio amin'ny 10ora maraina no hamoaka ny vokatra ôfisialy tamin'ny fifidianana solombavambahoaka izay notanterahina ny 29 mey lasa teo ny fitsarana Avo momba ny Lalam-Panorenana ; naherin'ny 1.300 ireo fitoriana voarain'ity rafi-pitsarana ity momba izany... ♦ Hamelona ny afon'ny fitiavan-tanindrazana ny fankalazana ny faha-64 taona nahazoana ny fahaleovan-tena ka hiray fo, hiray hina ny Malagasy ary hiaraka hampandroso ny firenena hoy ny Filoha Rajoelina Andry...
♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny Matso eny Mahamasina rahampitso. Hiavaka ihany koa ny Afomanga eny Anosy anio hariva, amin'ny alalan'ny "Seho Drone" haharitra 20 minitra... ♦ Mafampana ny any Vangaindrano amin'izao fotoana mialoha ny fetim-pirenena izao. Hihetsika ny Ampanjaka Antefasy any an-toerana ho an'ny lanonana ôfisialy hanamarihana ny fetin'ny fahaleovan-tena rahampitso 26 jona 2024... ♦ Ny alakamisy 27 jona izao no hamoaka amin'ny fomba ôfisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka ny HCC. Hitodika eny Ambohidahy indray ny mason'ny rehetra aorian'ny fetim-pirenena... ♦ Nahafatesana olona sy naharatràna 37 hafa ny fifanosehana tany Rwanda, famoriam-bahoaka nataon'ny filoha Paul Kagamé...
♦ Mpitandro ny filaminana hatrany amin'ny 4.000 isa no handray anjara amin'ny Matso eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina rahampitso 26 jona ; ho hentitra ny fitandroana ny filaminana... ♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina rahampitso ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika, omaly... ♦ Tokony hakarina ny fahefa-mividin'ny vahoaka Malagasy noho ny fampiharana ny "vérité de prix" hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina. Nambarany fa hiteraka fidàngan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena ny firosoana amin'izany...
♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina amin'ny 26 jona, ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika androany... ♦ Lasa resabe ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, noho ny firosoana amin'ny “vérité de prix”. Hiteraka fidangan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena izany, hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina... ♦ Nitombo 31 mianadahy ireo “inspecteurs industriels” eto amintsika, hanampy ireo 20 efa amperin'asa...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco