♦ Vidin'ny la vanille maitso : Tafidina hatrany amin'ny 400 Ariary ny kilao aminà Faritra sasany eto Madagasikara, raha ny antso avo nataon'ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Tsy tokony ho sakana amin'ny fanoloana ny toeran'ireo ben'ny tanàna maty ny resaka raharaham-pitsarana mbola mandeha hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Lalao hiatrehana ny "Coupe du monde 2026" : anio no hihaona amin'ny ekipa-pirenena Centrafrique ny Barea an'i Madagasikara anatin'ny anro fahafiton'ny fifanitsanana... ♦ Ady any Gaza : olona maherin'ny 60 indray no fantatra fa namoy ny ainy tao Bande de Gaza taorian'ny fanafihana nataon'ny tafika Israeliana...
♦ Nakantoavin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny datin'ny 11 desambra hanaovana ny fifidianana Loholona araka ny tolo-kevitry ny Ceni... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy anio maraina ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) andiany fahafito etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 35% ny tahan'ny fanaovam-baksiny ny zaza teto Madagasikara taorian'ny COVID-19, fanamby ny havitan'ny 90% amin'ny zaza Malagasy vita vaksiny hatramin'ny faran'ity taona ity... ♦ Any Gaza : Ankizy maherin'ny 21.000 isa lasa nitondra takaitra, manan-takaitra tsy fidiny vokatry ny ady misy eo amin'i Israël sy Hamas...
♦ Nihazo avy hatrany ny Faritra Menabe ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roalahy niara-dia taminy, taorian'ny fanomezam-boninahitra natao teny Mausolée omaly... ♦ Manana tanora manampahaizana maro afaka mamaha ny olan'ny famatsiana herinaratra eto amin'ny firenena ny eny amin'ny polytechnique Vontovorona anatin'ny sampam-piofanana génie électrique... ♦ Klioba isany mamoaka mpilalao baolina kitra mahay sy malaza ny CFFA Andoharanofotsy ka hitohizan'ny fahazoana vokatra tsara dia hisy ny fanatsarana ny foto-drafitr'asa hilalaovan'ny tanora...
• Tontosa androany ny lanonam-panjakana manetriketrika nandraisan'i Madagasikara ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo roa lahy mpitari-tafika niara-dia taminy. Efa nentina nihazo an'i Manabe ireo kabeso... • Miroso amin'ny fijerena ireo lalam-piofanana mety sy tiany arahana akehitriny, ireo mpianatra vao afaka bakalorea. Hita taratra izany eny amin'ny hay ranty tanterahana eny Mahamasina... • Tsy marina ny filazana fa takiana vola 250.000 Ariary ireo mpiofana ho mpandraharahn'ny fonja. Nandiso izany ny Tale Jeneralin'ny sekoly ENAP...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco