• Manoloana ny zava-nitranga teto amin'ny firenena omaly, dia nisy fanambarana entin'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara sy ny FFKM, izay manameloka ny herisetra sy ny fifampihantsiana, ary mitaky ny hisian'ny fifampiresahana... • Mitaky ny femetraham-pianan'ny Minisitry ny Angovo sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary manome fe-potoana ho azy ireo hatramin'ny alatsinainy tolakandro hanaovana izany, ny vovonana HIFFIM... • Tsy manakana ny fanehoan-kevitra na ny hetsika politika ny Sendika Mahaleotenan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, fa miantso ny mponina kosa mba tsy hanimba ny fananana iombonana...
• Andro faharoa amin'ny hetsika fitakiana jiro sy rano anio. Mitohy ny hetsika ary mbola misy ireo mikasa hanararaotra handroba... • Naneho hevitra voalohany, teo amin'ny pejy Facebook-ny, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina. Manameloka ny fihetsika fanapotehana sy fahapotehana tiana apetraka eto amin'ny firenena... • Hiatrika fivoriana anio tolakandro ny FFKM ary hanao fanambarana. Azo antoka fa mahakasika ny zava-misy eto amin'ny firenena no lahadinika amin'izany...
• Navesatra ny takaitra navelan'ny fanararaotana sy ny fandrobana nataon'ny andian'olona alina. Toeram-pivarotana lehibe maro no voaroba, nisy ny maty sy naratra ary ny voasambotra, vokatry ny hetsika fitakiana jiro sy rano... • Notapahan'ny OMC Nasionaly ny fampiatoana ny fampianarana ho an'ny Distrikan'Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe Voalohany, anio zoma. Tsy nihatra amin'ny ankapobeny, ny fanapahan'ny OMC Nasionaly, mandidy ny tsy fahafahana mivezivezy manomboka amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina... • Mitohy hatrany ny fanosihosena ny fahalalahan'ny mpanao gazety manao ny asany. Lasibatry ny daroky ny mpitandro ny filaminana indray mantsy omaly ny mpanao gazety nandrakotra ny vaovao...
• Maro ireo naratra, nisy ny voasambotra, nisy ny trano may vokatry ny hetsika “Leo délestage” androany, tao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Mitohy hatramin'izao hariva izao ny hetsika fanakanan-dalana sy fandorana kodiarana ataon'ny mponina amin'ny tanana maro... • Nofoanana noho ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena ny Kongresy Nasionalin'ny antoko AVI, izay saika hatao rahampitso tetsy amin'ny CCI Ivato... • Manjaka ny hala-tany any amin'ny Kaominina Ambohibary, Distrikan'i Moramanga. Tany mirefy 5.000 m² bo bodoin'olona iray...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco