• Mandray andraikitra manandrify azy tsy hiparitahan'ny aretina nendran-drajako na Mpox, ny tompon'andraikitra samihafa. Miisa 40 ireo ahitana soritr'aretina, araka tarehimarika farany... • Tsy marina ny vaovao niely momba ny fahazoan'ireo tompon'andraikitra samihafa, miara-miasa amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, valisoa manokana, hoy ny Talen'ny Kabinetra, Onitiana Realy... • Maro ny asa mivaingana vita, nitondrana fanavaozana, eny amin'ny tontolo ambanivohitra, araka ny tatitra nataon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tantsaha maherin'ny 90.000 no nisitraka fanohanana niatrehana ny taom-pambolena lehibe...
• Efa an-dalana ny famahana ny olan'ny jiro sy rano, votoatin'ny tolona natao farany teo. Izay no nambaran'ny Praminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety teny Mahazoarivo izy omaly... • Nesorin'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ny tombon-jo tsy ahafahana manenjika ny mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena na ny "immunité parlementaire", ho an'ny Solombavam-bahoka Sahondrarimalala Marie Michelle... • Niova nanomboka androany 5 janoary ny vidin'ny solika eny amin'ny toby mpaninjara izany. Nihena 200 Ariary ny iray litatra amin'ny lasantsy, raha toa ka niakatra Ariary 10 kosa ny Gasoil...
• Mpiasam-panjakana tsy raikitra EFA sy ELD maherin'ny 65.000 no horaisina ho mpiasa raikitra araka ny fanapahan-kevitry ny fitondrana. Miverina indray, rehefa niato nanomboka ny volana febroary 2020, ny fandraisana ho mpiasam-panjakana raikitra... • Hitsahatra ny 5 janoary 2026 izao, ny fandraisan'ny fanjakana an-tanana ireo manao “dialyse” eny amin'ny Polyclinique Ilafy. Manahy ny amin'ny ainy ireo marary miisa 160 misitraka izany... • Efa tonga ao Toliara tamin'ny herinandro lasa teo ny fanafody 50.000 litatra, hamonoana ny kijeja any amin'ny tapany afovoany atsimon'ny nosy iny. Nalefa avy hatrany any Ihorombe sy Sakaraha ireo fanafody ireo hisorohana ny fihanaky ny valala...
• Nolavin'ny Fitsarana ny fanagatahana fahafahana vonjimaika arahina anto-bola ho an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Nivoaka ny maraina teo ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana ao Port-Louis, momba izany... • Napetraka amin'ny toerana voara-maso ny Jeneraly Ravalomanana Richard, hanohizana ny famotorana azy. Mety hitsena ny taom-baovao ivelan'ny tokantranony ity Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha ity... • Faritra maro no mety hitsena ny taom-baovao 2026 anaty fiavian'orana betsaka, araka ny vinan'ny Météo...
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco