♦ Niampy 63 ireo olona vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Hahemotra amin'ny fotoana mahamety azy ny fankalazana ny JMJ Diôsezin'Antananarivo saika hatao ny 03 hatramin'ny 06 septambra izao... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoakan'ny IRD sy ny tsy miankika miisa 96 ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana...
♦ Vehivavy iray 46 taona indray no namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Lany tetsy amin'ny CCI Ivato nandritra ny fivoriana itambaram-be nataon'ireo Solombavambahoaka ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana... ♦ Hiteraka fampandrosoana isam-paritra ny fahalanian'ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana...
♦ Hampiasana fitaovana avo lenta ny fanaraha-maso, mialoha sy mandritra ary ao aorian'ny matso, hataon'ny Foloalondahy eny amin'ny Araben'ny Fahaleovan-tena eny Analakely... ♦ Tsy hitondra fahombiazana eto amintsika ny fampiasam-bola betsaka hanarenana ny toe-karena noho izao fiatrehana ny valan'aretina izao, hoy ny mpitarika ny FMI Malagasy... ♦ Manalasalasa ny fiantohana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny fampiharana ilay lalana vaovao mifehy ny fifandraisana sy ny serasera, hoy ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety...
♦ Miparitaka haingana eto an-drenivohitra nt tsimok'aretina Coronavirus. Ny 83 tamin'ireo tranga voatily nambara omaly dia avy eto Antananarivo avokoa... ♦ Nitatitra ny zava-bitan'ny Governemanta nanoloana ny Loholona ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Nitrangana haintrano goavana omaly teny amin'ny 67Ha ampita atsimon'ny Vatobe. An-jatony ny trano kilan'ny afo raha ny tarehimarika vonjy maika...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco