♦ Hampiasana fitaovana avo lenta ny fanaraha-maso, mialoha sy mandritra ary ao aorian'ny matso, hataon'ny Foloalondahy eny amin'ny Araben'ny Fahaleovan-tena eny Analakely... ♦ Tsy hitondra fahombiazana eto amintsika ny fampiasam-bola betsaka hanarenana ny toe-karena noho izao fiatrehana ny valan'aretina izao, hoy ny mpitarika ny FMI Malagasy... ♦ Manalasalasa ny fiantohana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny fampiharana ilay lalana vaovao mifehy ny fifandraisana sy ny serasera, hoy ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety...

0 : 00

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...