♦ Manohana ny Faritra Analamanga amin'ny ady atao amin'ny Coronavirus ny Ministeran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana. Ranom-panafody famonoana otrik'aretina, apetraka amin'ireo biraom-panjakana samihafa ato amin'ny Faritra no natolotry ny Ministera... ♦ Nihena tsy toa ny isan'andro ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus omaly, Tranga vaovao 145 no hita tamin'ny fitiliana 734. Miisa 502 no sitrana soamantsara...
♦ Andrasana hivoaka anio ny fanambarana ôfisialy, tohin'ilay fanapahan-kevitra omaly, nanekena ny hamerenana ireo fandaharana sy ady hevitra pôlitika amin'ny haino aman-jery maromaro, eto Antananarivo... ♦ Mbola nisy sidina avy any ivelany tonga ihany, tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, nitondra mpandeha 280 avy any Frantsa. Miteraka resabe amin'izao ny fisina'izy ity, tao aorian'ny nanambarana fa mijanona ny sidina iraisam-pirenena...
♦ Nihemotra tamin'ny fanapahan-kevitra noraisiny ireo Minisitera dimy, tamin'ilay fampiatoana fandaharana sy ady hevitra pôlitika amin'ny haino aman-jery vitsivitsy eto Antananarivo. Efa nisy omaly, fitoriana mifandraika amin'izany tafapetraka eny amin'ny Filankevi-panjakana... ♦ Olona enina indray no matin'ny Coronavirus, mbola nahitana tranga vaovao 299 ihany koa ny fitiliana natao tamin'ny alahady lasa teo...
♦ Manoloana ilay fanapahana nampiatoana andiam-pandaharana amin'ny haino aman-jery maromaro, dia samy nametraka fitoriana teny amin'ny Filankevi-panjakana androany, na ny mpisolovava ireo haino aman-jery voakasika, na ireo fiaraha-monim-pirenenana, na ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety amin'ny anaran'ny OJM... ♦ Vonona hanome tanana amin'ny ady amin'ny valan'aretina Covid-19 ireo ray aman-dreny am-panahy avy amin'ny Fiangonana maro eto amintsika ka hankahery sy hitondra am-bavaka ireo marary any amin'ny CTC, hôpitaly sy ireo toerana samihafa handraisana marary...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco