♦ Manodidina ny 160 000 000 ireo zaza tsy ampy taona maneran-tany izay miditra amin'ny sehatry ny asa, ho an'ny taona 2020. Marihina anio ny andro eran-tany iadiana amin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona... ♦ Nanome toky ny hanatsara ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny filohan'ny HCC Rakotoarisoa Florent... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny ministry ny raharaham-bahiny momba ny Nosy malagasy ny antoko Otrikafo. Sarotra ny hahazoana ireo nosy ireo raha amin'izao hoy Me Ôlala...
♦ Hohatsaraina ny fomba fitsarana ny voka-pifidianana, hoy ny Filoha vaovaon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Tontosa androany teny Ambohidahy ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filohan'ny HCC teo aloha... ♦ Hanao fanadihadiana parlemantera sy hampiantso ny Minisitry ny Fitsarana ny eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, momba ilay raharaha ady tany eny Antanandrano, hoy Andriamatoa Naivo Raholdina. Nidina ifotony teny an-toerana androany ity Solombavambahoaka ity...
♦ Efa manomboka mandray karama ireo mpiasa amin'ny Oniversite izay nahavita ny "digitalisation", isan'izany ny any Fianarantsoa, ary efa tonga any Mahajanga ihany koa ny taratasim-bolan'ireo mpandraharaha sy ny mpiasan'ny Oniversite... ♦ Hahemotra ho amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra indray ny fifaninana hidirana ho mpianatra ao amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha, eny Tsaralalana na ny ENMG...
♦ Namaly ny momba ny fanakanana indroa miantaona ny fiara nitondra azy, nanomboka tamin'ny sabotsy teo Andriamatoa Marc Ravalomanana androany. Nambaran'ity mpitarika ny mpanohitra ity fa tsy misy tombontsoa ho an'ny Malagasy ny fisakatsakanana atao azy... ♦ Nanao hetsika fitokonana androany ireo mpianatry ny Oniversiten'i Mahajanga, noho ny tsy mbola nandraisana ny vatsim-pianarana dimy volana. Efa manomboka ny fandoavana izany amin'izao, hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, manoloana izany...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco