♦ Nanjavona tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ny "container" iray feno fanafody 1630 baoritra, araka ny fampitam-baovaon'ny OPHAM... ♦ Nisesy ny fangalarana zaza fotsy bobo na varive tato ho ato tany amin'ny distrikan'i Betroka. Tsy vitan'ny hangalarina fa tapahan'izy ireo ny lohany.... ♦ Misy mamitaka ny filoham-pirenena ka mila mitandrina. Ny olona akaiky azy ihany no ao ambadik'izany hoy Profesora Ralison Roger, momba ilay raharaha Apollo 21... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...