♦ Nitohy tamin'ny dinika niarahana tamin'ireo avy amin'ny Dicastère misahana ny fanabeazana any Vatican omaly, ny fitsidihana nataon'ireo solontenan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara any Rome... ♦ Nifandimby nandray ireo vondrona sy antoko pôlitika teny Ambodivoina ho an'ny andron'ny omaly alarobia 4 marsa ireo solontena avy amin'ny vondrona SADC... ♦ Nahitana fidinany 200 Ariary isaky ny litatra avokoa ny vidin'ny lasantsy, solika fandrehitra ary ny gazoaly amin'ity volana marsa ity araka ny fanitsiana navoaka ny ôfisy Malagasy misahana ny solika (OMH), androany alakamisy...
♦ Andrasana ao anatin'ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny fomba hitantanana ireo tahirin'andramena hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika, Randrianirina Michaël... ♦ Nankalaza ny andro maneran-tany iadiana amin'ny fanararaotana mamoafady mihatra amin'ny ankizy, ny fikambanana ECPAT 360. Nisy ny fanentanana natao tamin'ny mpianatra teny amin'ny Lycée Saint Michel Itaosy... ♦ Nihaino ny fitarainan'ny mpanao gazety ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina ka nilaza fa hamoraina ny fikarakaràna ireo antontantaratasy ilaina hangatahana ny mari-boninahi-pirenena...
♦ Fiaraha-miasa mamaly n filan'ny vahoaka hiadiana amin'ny fahantrana sy ny fahasahiranana no tokony hapetraky ny mpitondra hoy ny Antoko Otrik'afo. Tokana ny fahavalon'ny Malagasy hoy Andriamatoa Elia Rabevahiny dia ny fahantrana... ♦ Natokan'ny Liberty 32 hanomezan-danja ireo tanora amin'ny fandraisana andraikitra ny tetik'asa DRIVE. Maro ireo tanora avy amin'ny Faritra samihafa no misitraka ity tetik'asa ity... ♦ Mandray ny fanamarihana ôfisialy ny andron'ny "8 marsa" amin'ity taona ity Antananarivo renivohitra. Natomboka tamin'ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana tao amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina izany, ny maraina teo...
♦ Nanakinan'ny fitondrana ny andraikitra ho lehiben'ny Faritra mpisolo toerana ao Fitovinany nandritry ny filan-kevitry ny ministra natao omaly ny solombavambahoaka teo aloha, Razafitsiandraofa Jean Brunel... ♦ Nanatevina ny andian-tafiny any Moyen-Orient i La Frantsa. Fanambaràna nataon'ny Filoha Frantsay Andriamatoa Emmanuel Macron tamin'ny vahoaka frantsay manoloana ny ady misy any ankehitriny... ♦ Tanora Gen Z : mizotra mankany amin'ny lalana tsy izy ny fanavaozana nimatimatesana, takian'izy ireo ny handravana ny andrim-panjakàna, sakana amin'ny fanovana...
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco