♦ Nisy novàna anarana ny ministera anatin'ny governemanta vaovao, nisy ny nozaraina roa ary misy ny nasiana ministera lefitra... ♦ Tanterahina anio sy rahampitso any Malawi ny fihaonana an-tampon'ireo filoham-panjakàna avy amin'ny firenena mpikambana ao amin'ny SADC, isan'izany ny filoha Andry Rajoelina... ♦ 200 000 daozy ny vaksiny fatra faharoa amin'ny Astrazénéca, tonga eto Madagasikara, hisokatra sy hiasa manomboka amin'ity herinandro ity ireo toerana hanaovana ny vaksinin'ny Covid, mandavan-taona...
♦ Miisa 32 ny mpikambana anatin'ny governemanta vaovao tarihan'Andriamatoa Ntsay Christian, nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy omaly hariva... ♦ Contrat-Programme-Résultat, ireo no fepetra mifehy ny mpikambana anatin'ny governemanta hoy ny Filoha Andry Rajoelina... ♦ Nanamarika ny 15 aogositra natokana ahatsiarovana ny nampiakarana an'i Masina Maria any an-danitra ny mpino katôlika manerantany, omaly... ♦ Handavan-taona amin'izay ny fanaovana vaksiny covid-19...
♦ Manomboka miakatra ny vokatra any amin'ny faritra atsimon'ny Faritra Anosy sy Androy amin'izao fotoana izao. Mbola mafy kosa ny kere any amin'ny tapany avaratr'ireo Faritra ireo, hoy ny CFM... ♦ Tokan-trano sahirana miisa 500 no nisitraka ny tetik'asa "Ankohonana Miatrika" tao amin'ny Kaominina Mahereza-Ambohidratrimo... ♦ Mitaky hatrany ny mangarahara sy ny tokony handinihina lalina ny fomba ametrahana ny Tahiry Malagasy ho an'ny fampiasam-bola mahaleo-tena ny firaisa-monim-pirenena...
♦ Nolanian'ny antenimera mpanao lalàna avokoa ireo volavolan-dalàna miisa 5 naroso nodinihin'izy ireo. Nifarana omaly hariva ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa... ♦ Natao ankamehana ny fandinihana sy ny fandanian'ny antenimiera mpanao lalàna ny volavolan-dalàna momba ny FSM hoy ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Hametraka tolo-kevitra ao anatin'ny soatoavina "Tolo-tanana" ho an'ny filoham-pirenena Andriamatoa Monja Roindefo hanatsaràna ny fidiram-bolam-panjakàna...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco