♦ Hiakatra fitsarana anio ny raharaha nanaovana filan-dratsy tamin'ny ankizivavy kely mirahavavy teny Andraondrikely Ivato. Maniry ny tsy hanamaivanana ity raharaha ity sy ny hanasaziana ny nahavanon-doza, araka ny rariny sy ny hitsiny ny fianakaviana... ♦ Andrasana ny fanapahana manamarina ny fahabangan-toerana eny amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona, fanamarihana avy amin'ny HCC, vao afaka manendry ny solontenan'ireo parlemantera lasa minisitra...
♦ Mitohy ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara, ato anatin'ny dimy ambin'ny folo andro... ♦ Dimy amby telopolo taona izao no nisian'ny Vondon-kery misahana ny filaminana sy ny vonjy taitra manokana, eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Notanterahina tety amin'ny ivotoerany tety Ivato ny fanamarihana izany...
♦ Ny fihaonana amin'ireo mpandraharaha Frantsay sy ireo Malagasy monina any Frantsa, no fandaharam-potoanan'ny filohan'ny repôblika Malagasy amin'ny diany any Frantsa... ♦ Laharam-pahamehana ho an'ny faritra atsinanana ny fizahan-tany. Isan'ireo lalana efa amboarina ny mihazo an'i Manambato, toerana mahasintona mpizahan-tany... ♦ 43%-ny mponina eto Madagasikara ihany no misitraka rano fitsotro madio. Mila teti-bola 174 000 000 dolara/taona hatrarana ny 70% ambiny...
♦ Hiditra amin'ny dingana faharoa amin'ny volana septambra ny fanajariana ny morontsirak'i Toamasina, na ny tetik'asa Miami... ♦ Maimaimpoana ny fisoratana anarana eny amin'ny sekolim-panjakàna amin'ity taom-pianarana ity, hoy ny teo anivon'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Miisa 159 ireo tera-tany Malagasy tavela tany ivelany, no tonga an-tanindrazana omaly teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco