♦ Niditra an-tanety ao amin'ny Distrikan'Antalaha ilay rivodoza Eloïse tatsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Niakatra ho 100km/ora ny rivotra entiny, arahana tafiotra 140km/ora... ♦ Filohan'ny Antenimierandoholona vaovao, mandimby an'Andriamatoa Rivo Rakotovao, ny Loholona Razafimahefa Herimanana, kandidà tokana natolotry ny vondrona IRMAR...

♦ Nahazo filoha vaovao ny Antenimieran-doholona eny Anosikely. Lany ho filohan'ny andrim-panjakàna Andriamatoa Herimanana Razafimahefa... ♦ Miha-manakaiky hatrany ny morontsirak'i Madagasikara ilay rivo-doza Eloise any amin'ny ranomasim-be Indiana. Anio alina izy no hiditra an-tanety any amin'ny distrikan'Antalaha... 

Anio tolakandro no hiditra an-tanety eto Madagasikara ilay rivodoza Eloise, nitombo hery izy ka lasa "Forte tempête tropicale", raha ny vaovao farany voaray avy amin'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro androany maraina.

♦ Feno ireo loholona valo ambin'ny folo mandrafitra ny Antenimierandoholona izay hiasa mandritra ny dimy taona. Niara-nampiaka-tsaina farany tamin'ireo mpiasan'ny Antenimierandoholona androany Andriamatoa Rivo Rakotovao... ♦ Any amin'ny 450km atsinanan'Antalaha no misy an'i Eloise. Tombanana hiditra an-tanety rahampitso alina na ny alarobia maraina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...